Politika

Fananana ny maro an’isa eny Tsimbazaza: Mitaky praiminisitra avy amin’izy ireo ny Irmar

Naneho ny heviny manoloana ny ho fanendrena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ny filoha lefitra fahafito eny amin’ny Antenimierampirenena, Milavonjy Philobert. Nohitsiny fa manana ny maro an’isa ny vondrona parlemantera Irmar eny Tsimbazaza raha hampiharina ny Lalàmpanorenana, nanaovan’ny filoham-panja­kana, fianianana ny 10 oktobra teo. « Tsy manana zo hiditra na hifindra […]

Lamina eto amin’ny firenena: niala ny birao maharitry ny Ceni

Araka ny fanapahana n°07-HCC/D3, omaly, nankatoavin’ ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny fametraham-pialan’ireo mpikambana valo eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, afa-tsy ny filohany, rehefa hita ny fahabangan-toeran’izy ireo. Tamin’ny 5 marsa ny fametraham-pialana no natao, napetraka teny amin’ny HCC ny 6 marsa, araka ny fanazavan’ ny mpampakateny […]

FANTINA sy FINTINA

Vonona ny hametra-pialana ny filohan’ny Antenimiera, Randrianasoloniaiko Siteny, raha manana porofo ny Kly Rakotomamonjy Patrick, araka ny nambarany, omaly. Anisan’ny voatonona ao anatin’ny horonantsary ho manao kolikoly ity lehiben’ity Andrimpanjakana ity. «Tsy rariny ny fanaparitahana tsaho sy manimba olona», hoy izy. Nametraka masontsivana sy fepetra amin’ireo ho mpikamban’ny governemanta ny […]

Rabevahiny Elia : “Mba tena hanova ny governemanta vaovao eo”

“Tsotra ny fitakianay: misy tolona natao teny an-kianja. Matoa sahy nanapa-kevitra nandrava ny governemanta ny filohan’ny Fanavaozana, tsy namaly an’izay tolona ho amin’ny fanovana ilay governemanta Rajaonarivelo He­rintsalama”. Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny Komity fanavaozana ifotony an’i Ma­dagasikara (KFIM) sady mpanolotsaina teknika ny filohan’ny Fanavaozana, Rabevahiny Elia, omaly, manoloana […]

Fitantanana raharaham-panjakana : Mitaky fandraisana andraikitra haingana ny filoha Ravalomanana Marc

Miantso sy mitaky ny handraisana andraikitra malaky manoloana ny fahabangan-toerana eto amin’ny firenena sy ny renivohitra ny eo anivon’ny antoko Tim. Nifamory teny Faravohitra izy ireo, omaly. Anisan’ny niatrika izany ireo solombavambahoaka sy ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo ary koa ny birao politikan’ny antoko. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, fa tsy […]