Politika

FANTINA sy FINTINA

”Tsy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany no tokony hisitraka ny famerenana ny fifidianana amin’ny ampahany fa misy kaominina 20 eo ho eo”, hoy ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, Safidy, Ramiarondraibe Hajason. Tokony hiaretana kely ny famerenana izany. Lisi-pifidianana efa tsy nety teo aloha, nisian’ny fitoriana, ka hamerenana fifidianana. Governemanta tena […]

Gen : “Aza irotorotoana ny fikaonandoham-pirenena”

“Aza irotorotoana ny fikaonandoham-pirenena”. Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ ny Vondron’ny manampahaizana momba ny fifidianana na ny Groupe des experts nationaux (Gen), Dr Bruno Rako­toarisoa, tamin’ny mpanao gazety teny Ankadivato, omaly. Ny amin’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao hirosoana amin’ny hoe fanovana na fanavaozana izany. Mety tenenina hoe malalaka be […]

Fitsarana: Nofoanana ny IST ho an’ireo olona 11 voakasika

Olona 13 no namoahan’ny minisiteran’ny Atitany tsy fahazoana mivoaka ivelan’i Madagasikara (IST), afakomaly. Nofoanana indray anefa ny an’ny 11 amin’ireo, omaly, araka ny taratasy navoakan’ny tonia voalohany mpampanoa lalàna eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Araka ny taratasy navoakan’ny minisiteran’ny Atitany, ny alatsinainy 16 marsa teo, olona 13 no namoahana tsy fahazoana […]

Mpitsabo eto Madagasikara : Miantso hanavaozana ny rafitra ara-pahasalamana

Naneho ny fahavononany handray anjara amin’ny fanavaozana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara ireo mpitsabo, malagasy, nandritra ny fihaonambe nataon’izy ireo tetsy Antaninarenina, ny 13 marsa lasa teo. Tanjona ny hananganana rafitra ara-pahasalamana marina, ma­homby ary manaja ny matihanina amin’ny sehatry ny fahasalamana. Mbola maro ireo olana sedrain’ny mpitsabo ankehitriny. « Sahirana […]

FANTINA sy FINTINA

Nodimandry teo amin’ny faha-67 taonany ny minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha, Randria­mandrato Richard. Efa minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izy, ary kandidàn’i Madagasikara ho filohan’ny Vaomiera afrikanina. Manampahaizana manokana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fitantanam-bola ny tenany. Tokony heverina ny hamerenana ireo mpanolotsain’ny Tanàna eo anivon’ny Kaominina Antana­narivo […]