Mbola eo hatrany. Maka bahana ho amin’ny fihaonambe ny eo anivon’ny antoko ny Asa vita ifampitsarana-Avi. Maherin’ny 1 000 ireo mpikambana hiatrika izany, eny amin’ny CCI Ivato, ny 20 febroary izao. Ahitana olom-boafidy tamin’ny anaran’ny antoko, toy ny depiote, ben’ny Tanàna ary mpanolotsain’ny kaominina, izy ireo. Nambaran’ny filoha nasionaly, ny solombavambahoaka, […]
Politika
Antenimierampirenena : Depiote 116 no manohana ny fitondrana
Maro anisa vaovao eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ! Tafakatra anjatony izao ireo solombavambahoaka nanao fanambarana fa hanohana izao fitondrana Fanavaozana izao. «Mipetraka ny vovonan’ny depiote amin’izao fanavaozana izao. Iaraha-mahita ny ezaky ny fitondrana amin’ izao». Io ny fanazavan’ny depiote tsy miankina voafidy tany Manandriana, Amoron’i Mania, Andrianjanahary Fanomezantsoa, teny Tsimbazaza, omaly, […]
FANTINA sy FINTINA
Hotokanana avokoa ireo fotodrafitrasa rehetra vita ka nandaniana volam-panjakana, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, nandritra ny fitokanana ny kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka ao Betafo, ny asabotsy teo. «Tokony hisitraka ny ariary mivoaka ao amin’ny volam-panjakana ny vahoaka», hoy izy. Hirosoana ny fanavaozana ny zotram-pifidianana. Nisongadina izany tamin’ny fitsidihan’ny delegasionina […]
Fiaraha-miasa DIPLAOMATIKA : Hanohana ny fikaonandoha ny Vondrona afrikanina
Mihazakazaka ny fahatongavan’ny fikambanana iraisam-pirenena manohana ny fametrahana ny fanavaozana. Taorian’ny Sadc, namita iraka eto Madagaiskara ihany koa ny Vondrona afrikanina. Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo ny delegasiona avy amin’ny Vondrona afrikanina, notarihin’i Mohamed Idriss Farah. Nisongadina tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fahavononana […]
Fandaminana ny firenena : Mitaky ny fahefan’ny fokonolona ny Antoko MFM
Nanamarika ny faha-53 taonany ny antoko MFM, naorin-dRakotonirina Manandafy. Natao tetsy Ankasina, ny herinandro teo, izany. Nitondra tolo-kevitra maromaro handaminana ny firenena tsy hiverenan’ny krizy izy ireo. «Havadika ho vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny fokontany, hahafahan’ny fokonolona mandray an-tanana ny fitantanana sy ny fampandrosoana eny ifotony», hoy izy ireo. Hapetraka ny lalàmpanorenana […]




