Mbola nanamafy indray. Nambaran’ny filohan’ny Fikambanana “Association Russie – Madagasikara-ARM”, Rakotonirina Richard, fa eo hatrany i Rosia manoloana ireo Nosy Malagasy “Iles Eparses”. Notsiahiviny fa efa mazava ny fehin-kevitry ny ONU ny taona 1979, fa an’i Madagasikara ary haverina aminy ireo Nosy ireo. Tsy mbola tanteraka anefa izany hatramin’izao ary […]
Politika
Tontolom-piarahamonina: Mampitovy ny olon-drehetra sy mampiavaka ny tsirairay ny zon’olombelona
Ny zon’olombelona no mampiavaka ny olombelona amin’ny biby; eny, na misy aza, ohatra, ny fikambanana miaro ny zon’ny biby any amin’ny firenen-dehibe sasany. Ny zon’olombelona no mampitovy ny olon-drehetra sy mampiavaka ny tsirairay . Izay tsara ho fantatra… Tamin’ny 10 desambra 1948 no nolaniana sy nampahafantarin’ny Fivoriamben’ny Firenena mikambana (ONU) […]
Meso Capital Madagascar : Hanamora ny famatsiam-bola ny orinasa madinika
Tosika ho an’ny fahazoana famatsiam-bola an’ireo orinasa madinika (TPE) ny Tahiry Meso Capital Madagascar. Rafitra napetraky ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) hanohanana sy hampihodinana ary hampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara. Fepetra takina ao anatin’ny rafitra ny fanarahan-dalàn’ny orinasa iray mba hahafahany misitraka famatsiam-bola avy amin’ireo banky. « Hanampy amin’ ny fanatanterahana […]
Fifidianana Papa : Hiandry setroka fotsy ao Vatican izao tontolo izao
Hotanterahina anio, ao amin’ny lasapelina Sixtine, ny “Conclave”, fifidianana ny handimby ny papa François eo amin’ny fitantanana ny fiangonana katolika Romanina. Hitodika any Vatican ny mason’izao tontolo izao. Voafidy avy hatrany ny papa ny dikany rehefa miakatra ny setroka fotsy avy ao amin’ny Sixtine. Hisahana andraikitra lehibe hanonona ny anaran’ny […]
Jly Ravalomanana Richard: “Isaorana ny firaisankinan’ny Foloalindahy”
Anisan’ny nasongadin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana. Notebahiny koa anefa ireo nitsikera na nanakantsakana ary nikasa hanakorontana. Narahabainy tamin’izany ny fitondram-panjakana tamin’ny nahatontosa ny fihaonana an-tampon’ny COI. Tanteraka izany na teo aza ny sakantsakana sy ny fiketrehana korontana, araka ny nambarany. “Tsy nahomby anefa […]