Politika

FANTINA sy FINTINA

Nitondra valin-kafatra ho an’ny mpiasan’ny CUA ny minisitry ny Atitany. “Ny fahafahan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana tsirairay no mametra ny tambin-karama ho an’ny trano fonenana », hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefa­na, Rakotonan­drasana Hanitra Velonjara Tiaray, teny Anosy, omaly. Andraisana lesona ny tranga nisy teto amin’ny firenena, araka ny nambaran’ireo firaisamonim-pirenena, manao […]

Filohan’ny Fanavaozana : “Tanjon’ny mpampihorohoro ny hidiran’ny iraisam-pirenena”

“Efa fantatsika rehetra hoe: iza no tena ao ambadik’izao fampihorohoroana vahoaka izao? Ny tanjon’izy ireo dia ny hidiran’ny fiombonambe iraisam-pirenena amin’ny ra­haraha anatiny eto amin’ny firenentsika ka anantenan’ilay olona miketrika izao tetika maloto izao hiverina ao Madagasikara”. Io ny hafatry ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Ran­drianirina Michaël, ho […]

Fikaroham-bahaolana : Mitaky « Fifanarahana politika » ny VMFR

Nivory nikaton-trano tetsy Antanimena, ny herinandro teo, ny Vovonana miaro ny fanovana mitarika ho amin’ny Repoblika vaovao (VMFR). Nametraka vina sy tolokevitra ho amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo, araka ny loharanom-baovao. Anisan’ny nivoitra tamin’ny tolokevitra ny hametrahana fifanarahana politika eo amin’ireo antoko. « Tanjona ny hamerenana indray ny etika eo amin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nitsidika tampoka ny CO-FDS ny Praimini­sitra, Rajaonarison Mamitiana, afakomaly. Nijery ifotony ny zava-misy sy nankahery ireo tomponandraikitra sy ny vahoaka voakasika ny tenany, tamin’izany. Nanome toromarika koa mba hampandeha haingana sy amim-pahombiazana ny fandraisana andraikitra amin’izao tsy fandriampahalemana izao. Anisan’ireo mpanolotsaina manokanan’ny Filo­han’ny Fanavaozana Ralaiseheno Guy Maxime. Nitondra ny heviny […]

Kly Randrianirina Michaël : « Ilaina ny fiaraha-miasan’ny samy Afrikanina»

Nihazo an’i Egypte, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randria­nirina Michaël, mivady. Nam­barany teny am-piaingana fa tafiditra amin’ny fiaraha-miasan’ny samy Afrikanina ny fitsidihana. « Mbola mino tanteraka aho fa ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena afrikanina no hanavotra ny firenena afrikanina manontolo », hoy izy, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nan­teriny […]