Politika

FANTINA sy FINTINA

Tsy mbola anatin’ireo lahadinika ny hanenjehana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimiera, Randriana­soloniaiko Siteny, omaly, teny Tsimbazaza. Nanteriny kosa fa tsy ampy raha 12 andro no hivorian’izy ireo. Tsiahivina fa aorian’ny fivorian’ny parlemantan’ny Sadc vao hatao ny fivoriana tsy ara-potoana. Tsy tokony hatao an-kamehana ny […]

Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana: « Tsy ananana antra ny mpamono olona»

Hentitra ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana ma­no­loana ny hala-jaza sy vono olona mahazo laka amin’izao fotoana izao. Nambarany fa ho henjana ny fepetra horaisin’ny fitondram-panjakana ho an’izay tratra. «Mbola misy ilay tranga amin’izao fotoana izao ka ezahina ny hanajanonana izany haingana sy anatin’ny fotoana fohy. Tsy ananana antra ireo tratra fa […]

Firenena mikambana-Vondrona afrikanina: Mitsangambolo amin’ny tsy fandriampahalemana

Vita ny iraka, namoaka fanambarana momba ny diany teto Madagasikara ny avy amin’ny Firenena mikambana sy ny Vondrona afrikanina. Anisan’ny manahirana azy ireo ny tsy fandriampahalemana. Nifarana ny dian’ny iraka avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA), tarihin’i Mohamed Idriss Farah sy ny solontenan’ny Firenena mi­kam­bana (ONU), Parfait Onanga-Anyanga. Nanao tatitra iombonana […]

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, fa ny kolikoly no tena fahavalo. Nanteriny tamin’ny fahatsiarovana ny faha-78 taona nitifirana ireo dimy lahy, mahery fon’ny firenena (1947-1948), teo Am­pitifirana Ankatso izany, afakomaly. «Kolikoly koa ny fijerena tombontsoa manokana aminy fanapahan-kevitra », hoy izy. Hampidirina amin’ny fandaharam-pianarana ny kolontsaina ara-politika, araka ny nambaran’ny Praiminisitra, […]

James Ramarosaona : « Mila fanavaozana ny asa an-gazety »

Anisan’ireo nandaha-teny tamin’ny fanamarihana ny faha-160 taonan’ny Gazety Malagasy, ny filoha teo aloha nitantana ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), James Ramarosaona. Nambarany tetsy Mahamasina, tamin’ny zoma lasa teo, fa tsy maintsy mianatra mandra-pahafaty ny mpanao gazety, mba tsy ho voatsindry. Nanteriny fa ma­sina ny asan-gazety. Olona voafidy sy notsongaina […]