Politika

Zotram-pifidianana: hanampiana an’i Madagasikara ny tetikasa APERM

Araka ny fampitam-baovaon’ny eo anivon’ny Ceni, teny Alarobia, omaly, nofaranan’ny komity mpitantana tamin’ny fivoriana fahenina ny tetikasa Fana­mafisana ny fizotran’ny fifidianana sy ny demokrasia eto Madagasikara (RPedem) iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, afakomaly. Na­natrika izany ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry. Teo koa ny mpandrindra maharitra ny Firenena mikambana (ONU) monina sy miasa […]

Komity teknikan’ny fikaonandoha: voatendry ny mpikambana miisa 39

Nankatoavina sy nosoniavin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Rajaonarison Mamitiana, omaly, ny taratasy mirakitra ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ny Komity teknika ho an’ny fikaonandoham-pirenena, araka ny di­dim-pitondrana laharana faha-29037/2026. Miisa 39 izy ireo no mandrafitra izany komity izany, mitsinjara amin’ny so­kajy samihafa. Voasolo tena ny andrimpanjakana voakasika, ny rafitra isan-tsokajiny, ny fiangonana […]

Rafi-panjakana federalisma: tsy mitovy hevitra ireo mpanao politika

Samy manana ny ambarany ny mpanao politika mahakasika ny federalisma. Misy ny resy lahatra fa vahaolana hoenti-mampandroso izany. Misy ny manamafy fa ho fototry ny adim-poko izy io. “Tsy zaka ny hoe federalisma. Hisy governemanta firy hatao isam-paritra? Nefa mahantra ny firenena… Aiza ny vola enti-manana an’izany?”. Io ny fanehoan-kevitry […]

Raharaham-bahiny: hanao fihaonamben’ny samy Malagasy

Ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fiaraha-miasa stratejika, ny diplaomasia ara-toekarena… Ireo no anisan’ny lohahevitra hifantohana amin’ ny fihaonamben’ny samy Ma­lagasy momba ny tontolon’ny diplaomasia eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny eo anivon’ny minisiteran’ny Ra­haraham-bahiny no mikara­kara ny fihaonambe, izay hatao eto Antananarivo, ny 7 hatramin’ny 17 septambra ho […]

Dinika fakan-kevitra: tonga manatrika eny Iavoloha ny vondrona iraisam-pirenena

Miroso araka ny tetiandro sy ny lamina napetraky ny mpikarakara ny dinika politika tanterahina eny Iavoloha. Anisan’ny voaasa ny eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Nitohy omaly hatramin’ny talata 8 septambra izao ny dinika fakan-kevitra ho fanomanana ny fifidianana izay tanterahina eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Ankoatra ny antoko politika, ny vovonana, ny fi­kambanana […]