Hitohy amin’ity herinandro ity ny dinika politika eny Iavoloha. Handray ireo filoham-pirenena teo aloha ny Kly Randrianirina Michaël. Efa nohainoana ny vondrona sy antoko politika, toy ny Irmar, ny MMM, ny Siap sy ny Avi, izay manamafy fa fitoniana aloha vao fifidianana. Miditra amin’ny herinandro faharoa amin’ny dinika politika ny […]
Politika
Antenimierampirenena – Saran: malahelo amin’ny tsy fahazoany ny zony
Efa ela no nangataka ny hisitraka ny zony ny sendikan’ ny mpisotro ronono eo anivon’ny Antenimierampirenena (Saran). Efa nangataka fihaonana tamin’ny filohan’ny Antenimierampirenena ihany koa izy ireo, saingy tsy mbola voaray hatreto. Malahelo, araka izany, ireto mpiasa misotro ronono ireto amin’ny fahazoany ny zony. Nisy fotoana efa noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena […]
Filohan’ny Fanavaozana: “Fotoana itsaran’ny vahoaka ny mpitondra izao”
Nitarika ny lanonam-panokafana ny hetsika “Festival du citron”, tany Manandriana ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, mivady. Nambarany fa fotoana hitsarana azy sy ny fitondrana tarihiny izao. “Fotoana itsaran’ny vahoaka ny mpitondra izao”. Io ny kabarin’ ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fanombohana ny “Festival du citron”, […]
Fihoaram-pefy amin’ny fifidianana: mitaky sazy hentitra sy mazava ny MMM
Nandray anjara tamin’ny fakan-kevitra momba ny fitantanana ny raharaham-pifidianana eto Madagasikara ny antoko MMM (Malagasy miara-miainga). Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny tsy faneken’ity antoko ity ny fihoaram-pefy amin’ny fifidianana, ka mitaky sazy hentitra ny MMM ho an’ izay manao izany. Ho azy ireo, zava-dehibe ny fisian’izao fifampidinihana izao. Efa ela ny […]
Fitsaram-bahoaka tao Ankazobe: mifanenjana ny mpitsara sy ny depiote Rajerison Antoine
Tranga miteraka disadisam-piarahamonina ao Ankazobe ny figadran’ny ben’ny Tanànan’i Marondry. Nampangaina ho nanamora ny fitsaram-bahoaka izy. Miaro azy ny depiote, mandetika ny fitsarana. “Tsy mbola nisy fanatonana na fanontaniana nataon’ny depiote fa tonga dia fanaratsiana sy fanimbana ny saim-bahaoka avy hatrany tany amin’ny tambajotran-tserasera no niseho”. Io ny fanazavan’ny mpisolo […]





