Politika

Hafatry ny filohan’ny FFKM : « Atsaharo ny herisetra fa tsy mamaha olana »

Niresaka fohy tamin’ny mpa­nao gazety ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Ranarivelo Sa­moela Jaona, omaly, tetsy Ana­lakely. Niaiky ny tenany fa tena mandalo fotoan-tsarotra tokoa ny firenena amin’izao fotoana izao. Nahitsy anefa ny teniny fa tsy ny ratsy no hanjaka eto ary mino sy matoky an’Andriamanitra rahateo koa ny Malagasy. Hentitra […]

Parvis Analakely : Nanaovan’ny mpiandry sy ny mpitondra angaredona ny devoly

Ho fanamarihana ny andron’ny fisaonam-pirenena, nanatanteraka fotoam-pivavahana, teny Analakely, ny FFKM sy ny fitondrana. Tanjona ny handroahana ny asan-devoly eto amin’ny firenena. Tao anatin’ny fisaonam-pirenena noho ny fahaverezana sy famonoana olona etsy sy eroa, nitarika fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fiaraha-miory sy fampaherezana ireo niharam-boina ny FFKM. Teny amin’ny tokotaniben’ny La­pan’ny Tanàna, […]

FANTINA sy FINTINA

hatao Andro fisaonam-pirenena ny rahampi­tso manerana an’i Madagasikara, didim-panjakana navoakan’ny fiadidian’ny fanavaozana ny repoblika, halina. Natokana ho andro tsy fiasana fa handraisan-karama izany. Voarara ny fety aman-danonana ary hai­dina amin’ny an-tsasaky ny tsoran-kazo ny sainam-pirenena. Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry, afakomaly hariva, i Alphe Léon. Notsaboina tamin’ny hopitaly iray teto […]

Vono olona etsy sy eroa : Nahazo toromarika ireo sefo fokontany

“Efa mandray an-tanana an’io ny fitondram-panjakana”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Ra­ko­tonandrasana Hanitra Ve­lonjara Tiaray, teny Anosy, omaly, manoloana ny fisian’ny fangalarana sy famonoana olona etsy sy eroa, amin’izao fotoana. Efa voahetsika avokoa ny tomponandraikitra rehetra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Na mpitandro filaminana izany na mpitsara, na ny tomponandraikitra […]

Fanadihadiana parlemantera : “Tsy mijabaka amin’ny asan’ny mpanatanteraka”, hoy Pety R.

Mazava ny fanambaran’ny depiote Rakotoniaina Pety, omaly. Tsy misy fijabahan’ andraikitra any amin’ny mpanatanteraka ny asan’ny vaomiera mpanadihady ny Jirama, izay tarihiny. Mahabe resaka ny sasany amin’izao ny fanadihadiana parlemantera ataon’ny Antenimie­ram­pirenena momba ny Jirama. Manoloana izany, maneho ny heviny sy ny fanazavany ny filohan’ny vaomiera mpanadihady, ny depiote Rakotoniana […]