Tsy namaly firy ilay ampamoaka nambaran’ ny Kly Rakotomamonjy Patrick ny praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny Tsimbazaza, raha nanontanian’ny mpanao gazety. Nambarany fa efa namaly izany ny minisiteran’ny Fiarovana. “Maromaro ireo anarana voatonona ao ka efa miroso ny fanadihadiana lalina momba izany”, araka ny nambarany. Nitaky ny tsy hampiandrasan’ny minisitra […]
Politika
Filohan’ny Antenimierampirenena: « Hamafisina ny ezaka efa natao »
“Momba ny fiainana andavanandron’ny mponina, mbola mampirisika hatrany ny governemanta sy ny tomponandraikitra samihafa hanamafy sy hanatsara ny ezaka efa ataonareo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny Antenimierampirenena”. Io no anisan’ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, tamin’ny kabary fanombohana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimiera teny Tsimbazaza, omaly. Mampitaraina vahoaka […]
Filoha Rajoelina Andry : Hifandray mivantana amin’ny besinimaro
Namoaka fanambarana fohy tao amin’ny tambajotran-tseraserany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly. Nandray fanapahan-kevitra ho amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fitantanana ny tenany. «Nandray fanapahan-kevitra aho ankehitriny fa hifandray mivantana aminao”, hoy izy. Nanteriny tamin’izany fa manan-jo hahalala ny zava-misy marina rehetra ny tsirairay. “Adidy iombonana ny fampandrosoana […]
Famedev : Hanadihady ny fampahalalam-baovao
Marihina amin’ity 6 mey ity, maneran-tany, ny fanadihadiana sy fitrandrahana ny fomba fiasan’ny fampahalalam-baovao mifantoka amin’ny fanomezan-danja ny vehivavy “Projet mondial de monitorage des médias – Global Media Monitoring Project” (GMMP). Efa fanao isaky ny dimy taona izany ka anisan’ny mandray anjara amin’ity hetsika iray ity ny eo anivon’ny “Femmes […]
FANTINA sy FINTINA
Namaly ny depiote Afakandro Christian ny governoran’i Boeny, Andriatomanga Mokthar Salim. Nambarany fa miasa eny Amborovy sy any amin’ny Fitim ireo fitaovan’ny faritra “niveuleuse – chargeur – bulldozer – compacteur”. “Azo hamarinina eny izany fa diso ny nambara ny amin’ny nampanofana izany”, hoy izy. Nivoaka ny fonjan’Antanimora, omaly tamin’ny 9 […]