Anisan’ireo nitondra sosokevitra teny Iavoloha ny Fikambanan’ny firaisankinan’ny ben’ny Tanàna ho an’ny fanavaozana ifotony nasionalin’i Madagasikara, afakomaly. Voarakitra ao anatin’izany ny momba ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fampielezan-kevitra. «Farafaharatsiny valo volana ny fotoana ho an’ny fampielezan-kevitra », hoy izy ireo amin’izany tolokevitra izany. Nambaran’ireto solontenan’ny ben’ny Tanàna ireto fa midadasika i […]
Politika
Fihaonambe momba ny diplaomasia: andrasana ny handrafetana ny “Boky Fotsy”
“Andrasana amin’ny fihaonambe ny fanolorana ireo antontan-kevitra handrafetana ny Boky Fotsy. Antontan-kevitra mirakitra fifandraisana iraisam-pirenen’i Madagasikara sy ny politika ivelan’i Madagasikara, izay hatolotra ny filohan’ny Fanavaozana sy ny Praiminisitra amin’ny 17 septambra ho avy izao”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Alice N’Diaye, teny Anosy, omaly, ny amin’ny fihaonambe […]
Fikaonandoham-pirenena: hitondra lohahevitra miisa 12 ny FFKM
Efa eo amin’ny fanofanana ireo mpanamora ny adihevitra amin’ny fikaonandoha ireo komity mandrindra izany amin’izao fotoana izao. Nivoaka ihany koa ireo lohahevitra miisa 12 amin’ny dinika iarahana amin’ny FFKM. Anisan’ny lohahevitra hodinihin’ireo mpizaika ny andry fototra. Anisan’ ny ao anatin’izany ny fitantanan-draharaha sy ny rafi-pitantanana. Ny fampiasana sy ny fahazoana […]
Raharaham-bahiny: diniky ny samy Malagasy ny fanavaozana ny diplaomasia
Tsy mijanona ho mpijery fotsiny i Madagasikara manoloana ireo fiovana maneran-tany amin’izao, araka ny kabarin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Alice N’Diaye, nanomboka ny fihaonambe nasionaly momba ny diplaomasia karakarain’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, teny Anosy, omaly. Fiovana miavaka amin’ny fifandanjana ara-jeopolitika izany. Eo koa ny fitomboan’ny fanamby eo amin’ny lafiny toetr’andro, angovo […]
Mandritsara: nifindra ao amin’ny VFM ny TGV, ny Irmar ary ny Upar
Nanambara ampahibemaso ny fifindrany ao amin’ny VFM (Vovonan’ny Fihavaozana an’i Madagasikara) ny Solombavambahoaka roa ao amin’ny distrikan’i Mandritsara, ny faran’ny herinandro teo. Rava tanteraka ny biraon’ny TGV sy Irmar ary Upar. Io no nivoitra nandritra ny fihaonana nataon’izy ireo tao amin’ny Kianja monisipaly ao Mandritsara, ny faran’ny herinandro teo. Nandritra […]





