Nanatanteraka fihaonana teny Iavoloha, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, sy ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Maromaro ny lohahevitra nodinihina. Manoloana ny fivoaran’ny raharaham-pirenena, niara-nidinika tamin’ny Kly Randrianirina Michaël teny Iavoloha ny filoham-pirenena teo aloha, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Tsy nisy vaovao […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Hisy ny tatitra isan’andro momba ny fahaverezan’olona na fakana an-keriny na vono olona ataon’ ny Ivontoeram-pibaikoana, « CO-CCO », isaky ny hariva amin’ny 6 ora sy sasany. « Tsy misy afenina ny hetsika rehetra ataon’ny fanjakana hiadiana amin’izany », hoy ny tale jeneralin’ny Serasera (MSK), Rakotomalala Faly. Nametraka fangatahana vaovao […]
Antoko Malagasy miara-miainga : « Hanova ny lalan’ny tantara ny fikaonandoha »
Nitohy tany Matsiatra Ambony indray ny fikaonandoham-paritra eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny herinandro teo. Nambaran’ ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, tamin’izany, fa zava-dehibe ny fikaonandoham-pirenena. Notsindriny fa fakan-kevitry ny antoko ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena izao tanterahin’izy ireo amin’ ny faritra 24 izao. « Zava-dehibe izany satria ahafahana manova tanteraka […]
Zotram-pifidianana : Hiara-miady amin’ny kolikoly ny Bianco sy ny Ceni
Maro ny fandikan-dalàna mandritra ny zotram-pifidianana. Manomboka amin’ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy izany, hatramin’ny famoahana valim-pifidianana vonjimaika. Ao anatin’izany ny kolikoly amin’ny fampielezan-kevitra, indrindra ny fizarana vola sy fanomezana. Tsy mbola nisy ny nigadra noho ny kolikoly amin’ny fifidianana. Manoloana izany, nanao fifanaraham-piaraha-miasa iadiana amin’ny kolikoly ny Bianco sy […]
FANTINA sy FINTINA
Mahaontsa ny zava-misy ary tsy miady amin’ny nofo aman-dra isika, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha teo aloha, Ravalomanana. « Ilay fanahy ratsy no iadiana… Mankasitraka ny fitondrana fa zava-dehibe ny fanehoana ny firaisankina sy tsy fanariana amin’ny fahoriana. Mila mifampatoky isika ary tandremo ny siosio fa mahatonga fisarahana », hoy izy. Misy […]




