Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny Iavoloha, omaly, ny tetikasa fanohanana ara-teknika ny Andrimpanjakana « Facilité d’assistance technique – Fat ». Nisy hafatra nampitain’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, tamin’izany. Nambarany fa tsy misy fampandrosoana maharitra raha tsy eo ny Andrimpanjakana matanjaka. « Tsy misy koa anefa fitokisan’ny olom-pirenena raha tsy […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nolanian’ny filankevitry ny minisitra ny zoma teo ny fanaovana fitafy maha Malagasy isaky ny zoma. Ao anatin’izany ireo fitafy mampisongadina ny maha izy azy ara-kolontsaina na mampiavaka ireo faritra samihafa eto amin’ny firenena, na nentin-drazana izany na nohavaozina izany, araka ny tatitra. Anaty fanajana ny hasin’ny asam-panjakana izany. Voatendry ho […]
Fikaonandoham-paritry ny MMM : « Hampandroso ny eny ifotony ny faritra mizaka tena »
Notanterahana ny herinandro teo, tao Mahajanga, ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy miara-miainga, ho an’ny any Boeny. Niray hevitra ireo mpizaika ary nohamafisin’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, fa hitondra soso-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo. «Antoka iray hizorana any amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fametrahana ny faritra mizaka tena sy ny fanajana […]
Fakan-kevitry ny FFKM : Hatomboka eny amin’ny fokontany ny fikaonandoha
Efa namoaka ny vinavinan’ny tetiandro hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny FFKM. Hiroso miandalana izany ka hahatongavana hatrany amin’ny fifidianana. Nambaran’ny loharanom-baovao fa hanomboka eny ifotony ny fakan-kevitra. «Hosantarina ny fiandohan’ny volana aogositra izao izany ka hatomboka any anivon’ny fokontany. Hitohy amin’ny fakan-kevitra eo anivon’ny kaominina sy ny faritra izany […]
Fivoriana any Malawi : Nodinihin’ny Sadc ny olan’i Madagasikara
Nisokatra omaly, any Malawi, ny fivorian’ny komity ivondronan’ireo minisitra mivondrona eo anivon’ny Sadc. Nivoitra tamin’izany fa manaraka akaiky ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ny Sadc. Anisan’izany ny fanatanterahana ireo dingana hiverenana amin’ny ara-dalàna araka ny lalàmpanorenana. Notsindrin’ireo mpivory fa anisan’ny vahaolana ny fifampidinihana andraisan’ireo mpisehatra rehetra anjara mba hipetrahan’ny fitoniana […]




