Politika

Rafi-panjakana federalisma: tsy mitovy hevitra ireo mpanao politika

Samy manana ny ambarany ny mpanao politika mahakasika ny federalisma. Misy ny resy lahatra fa vahaolana hoenti-mampandroso izany. Misy ny manamafy fa ho fototry ny adim-poko izy io. “Tsy zaka ny hoe federalisma. Hisy governemanta firy hatao isam-paritra? Nefa mahantra ny firenena… Aiza ny vola enti-manana an’izany?”. Io ny fanehoan-kevitry […]

Raharaham-bahiny: hanao fihaonamben’ny samy Malagasy

Ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fiaraha-miasa stratejika, ny diplaomasia ara-toekarena… Ireo no anisan’ny lohahevitra hifantohana amin’ ny fihaonamben’ny samy Ma­lagasy momba ny tontolon’ny diplaomasia eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny eo anivon’ny minisiteran’ny Ra­haraham-bahiny no mikara­kara ny fihaonambe, izay hatao eto Antananarivo, ny 7 hatramin’ny 17 septambra ho […]

Dinika fakan-kevitra: tonga manatrika eny Iavoloha ny vondrona iraisam-pirenena

Miroso araka ny tetiandro sy ny lamina napetraky ny mpikarakara ny dinika politika tanterahina eny Iavoloha. Anisan’ny voaasa ny eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Nitohy omaly hatramin’ny talata 8 septambra izao ny dinika fakan-kevitra ho fanomanana ny fifidianana izay tanterahina eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Ankoatra ny antoko politika, ny vovonana, ny fi­kambanana […]

Antoko MFM: “Hampisy fitoniana ny dinika politika”

“Hametraka ny fitoniana politika ny dinika politika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Hafa ny fakan-kevitra politika. Hodini­hina amin’ny dinika politika kosa ny fitantanana fifidianana, fitantanana andrimpanjakana, fifitantanana politika. Ny fametrahana etika politika no hamerenana ny fifampitokisan’ny mpanao politika sy ny vahoaka, […]

Fiarovana olona ambony: manamboninahitra 13 niofana niaraka tamin’ny Rosianina

Notanterahina omaly, teny Mahazoarivo, ny famoahana ireo nahavita fiofanana manokana momba ny fiarovana olo-manankaja ambony. Manamboninahitra 13 no nandray anjara tamin’izany. Tafiditra tao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-miaramila eo amin’i Madagasikara sy ny Federasionin’i Rosia izao fampiofanana izao. Nandritra ny roa volana no niatrika izany ireo manamboninahitra 13, notarihin’ny manam-pahaizana rosianina. […]