Niara-nidinika tamin’ny eo anivon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ny filohan’ny Repoblika. Anisan’ny niompanan’ny fifanakalozan-kevitra ny momba ny sosialy sy ny toekarena. «Zava-dehibe ny dinikasa manoloana ny firosoan’ny ezaky ny governemanta malagasy amin’ny fanavaozana marolafy ho amin’ny fampivoarana ny sosialy, indrindra ny toekarena». Io no anisan’ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny dinikasa […]
Politika
Fanamboaran-dalan’ny 2AH : Nofanina ara-teknika ny ao Amboanana
Nanomboka ny fanamboaran-dalana ao Ampahimanga-Manalalondo. Anisan’ny tena ratsy ny 4km amin’ny 30km mampitohy an’Ampahimanga – Amboanana, ka nambaran’ny filohan’ny ONG 2AH, Andriamihaja Andriatsimiandriambony Iadjah, fa hitadiavana fiaraha-miasa amin’ny faritra Itasy izany amin’ny fampiasana “Engin”. Na izany aza, hatao « piste » na lalantany mifanaraka amin’ny toe-tany ny fanamboarana ny lalana […]
Fivorian’ny COI : Manentana ny mpanao gazety ny MSK
Nambaran’ny talen’ny Serasera eo anivon’ny minisiteran’ ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), Rasaony Pascal, fa hanana ny adidiny amin’ny fampitam-baovao ireo mpampahalala vaovao amin’ny fandraisana ny fivorian’ny COI eto Antananarivo. Nentaniny ny mpanao gazety mba hametraka dieny izao ny fangatahana fahazoan-dalana handrakotra ny fikaroham-baovao amin’izany. “Afaka mandefa fangatahana ho an’olona […]
Iraky ny ONU : Hizara traikefa ho fisorohana loza an-dalambe
Nigadona teny Ivato, omaly, ny iraka manokan’ny sekretera jeneralin’ny ONU, i Jean Todt. Hanao fitsidihana momba ny fiahiana sy fisorohana ny loza eny an-dalana “Sécurité routière”. Hanatrika sy hizara ny traikefany momba izany izy mandritra ny fanombohana ny fanentanana ho fisorohana ny loza eny an-dalambe, hatao etsy Anosy, ny zoma […]
MMM: Manakiana ny tsy fisian’ny demokrasia
Nitondra ny heviny manoloana ireo hetsika niseho tato ho ato ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Anisan’izany ny tany Toliara, farany teo. “Niaraka tsy hita tamin’ilay kianjan’ny demokrasia ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fiarovana ny tanindrazana eto amintsika”, hoy izy. Noresahiny koa anefa ny momba ny fifanakalozana ara-barotra amin’ny […]




