Nidina an-dalambe ireo mponina manana tany, tafiditra amin’ny tetikasa fanorenana ny tanana Tanamasoandro. Nihiaka sy niantsoantso ho fanoherana sy tsy fanekena izany izy ireo, omaly. “Tsy amidy ny taninay, tsy omenay ny taninay, aza ravaina ny tanànanay…”, hoy ireo mponina nanao ny hetsika ho tsy fankasitrahana ny tetikasa Tanamasoandro. Anisan’ny […]
Politika
Antoko HVM : “Tsy hanongam-panjakana izahay…”
Naneho ny fahavononany amin’ny fanohizany ny politika ny eo anivon’ny antoko HVM. Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena izy ireo, ny faran’ny herinandro teo, tetsy Andraharo. Nambaran’ny mpandrindra nasionaly, Rakotovao Rivo, ary nohamafisiny fa mijoro ho mpanohitra hatrany izy ireo manoloana ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitondra. “Tsy hanongam-panjakana anefa izahay saingy […]
FANTINA sy FINTINA
Nibata ny fandresena tamin’ny fifidianana ny ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina natao tany Addis Abeba, ilay Djibosianina, i Ali Mahamoud Youssouf. Niala an-daharana tany amin’ny fihodinana fahafito ny kandidà kenianina, Raila Odinga, raha noheverina ho misongadina. Resy tany amin’ny fihodinana fahatelo kosa, Randriamandrato Richard. Mahay jeopolitika sy diplaomasia avokoa ireo […]
Antoko Alfa : “Maika kokoa ny tena mahasoa ny vahoaka”
Nanatanteraka ny kongresiny teny Ambohimangakely ny antoko Lay fitiavana an’ny rehetra (Alfa na ny LayFar teo aloha), ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fa navadika ho antoko ity fikambanana ity. Natao izany mba handraisana andraikitra bebe kokoa ary hamelona indray ny tsirim-panantenan’ny Malagasy manoloana izao fahasahiranana mandalo izao. Mankasitraka ny politika […]
Filoha Rajoelina Andry : «Iray tsy mivaky ny Foloalindahy»
Notolorana faneva, omaly, ireo jeneraly miisa 35, andiany taona 2024. Nanamafy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny lahateny nataony fa iray tsy mivaky ny Foloalindahy malagasy. «Iray tsy mivaky ny Foloalindahy malagasy, miray fo, tsy azo zaraina, tsy azo vakina, miara-misalahy amin’ny fiarovana sy fampandrosoana an’i Madagasikara. Izaho manokana […]




