Nirarakompana ny fanalana amin’ny toerany ireo tomponandraikitra ara-miaramila eo anivon’ny hopitaly Soavinandriana (CenHoSoa). Niainga amin’ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra, natao tany Nosy Be, afakomaly, izany. Nivoitra tamin’izany ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony ka anisan’izany ny teo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy. Miisa valo be izao ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ity hopitaly miaramila […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Hahetsika avokoa ny mpitandro filaminana rehetra, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fetim-pirenena, araka ny nambaran’ireo tomponandraikitra ambony misahana ny filaminana. Tsy nambaran’izy ireo kosa anefa ny isan’izany, noho ny lafiny stratejia. Ankoatra izany, hanao fanamiana vaovao ireo handray anjara amin’ny matso ny 26 jona io. Hanam-bahiny, filoham-panjakana sy minisitry ny […]
Raharaha “Kaominina Talata Volonondry” : Miantso ny filankevi-panjakana ny depiote Avotra
Manaitra ny fanjakana mba tsy hanaotao foana ny depioten’Avaradrano, Andriamosasoa Avotra, omaly. “Sao ho singam-bolo handavo ny vositra ity raharaha ity. Miantso ny fitsarana sy ny filankevi-panjakana ihany koa mba hitsara am-pahamarinana sy am-pilaminana”, hoy izy. Nanteriny fa efa hita hatrany am-boalohany ny fanehoan-kevitry ny vahoakan’i Talata Volonondry tamin’ny alalan’ny […]
Filoha Rajoelina Andry : « betsaka ny asa vita, maro ny miandry »
Nitarika ny filankevitry ny minisitra tao Nosy Be, omaly, ny filoha Rajoelina Andry miaraka amin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Nambarany tamin’izany fa handehanana any amin’ny fampandrosoana izao fidinana ifotony izao. Nambarany fa natao hijerena ifotony ireo asa efa vita izany, fa eo ihany koa ireo mbola tokony hotontosaina anatin’ny fampandrosoana izao […]
Kaominina ambonivohitra Toamasina : Hanatanteraka ny fanamby ny ben’ny Tanàna
Tsy hihemotra amin’izay efa tapaka sy fanamby nataony tamin’ny vahoaka ny ben’ny Tanànan’ i Toamasina, ny mpahay lalàna Alain Andriafanomezantsoa, sy ny ekipany. Tato ho ato, nasehony tamin’ny fandraisany andraikitra ny fitazonana ny teny nataony. Tsy maintsy sokafana ny lalampasika rehetra izay tsy tafiditry ny fiaraben’ny mpamonjy voina mba hitsinjovana […]





