Naneho fahavononana ny hifarimbona amin’ny asa tagnamaro hanamboatra ny lalàna mirefy 30 km ireo vahoakan’ny kaominina Amboanana, Arivonimamo. Nisitraka ny fitaovana hanamboarana izany lalana izany tamin’ny “Association d’Aide Humanitaire -Andry antoky ny hoavy – ONG 2AH” ireo fokonolona hanatanteraka ny asa. Nambaran’ny filohan’ity fikambanana ity, Andriamihaja Andriatsimiandriambony Iadjah, fa hitondra […]
Politika
antoko VHT : “Tokony hiaraha-mijery ny fanaovana politika eto”
“Mikorontana tanteraka ny fanaovana politika eto Madagasikara. Tsy misy fitsipika demokratika mandeha intsony. Ny zava-misy: rehefa manelingelina ny tombontsoan-dRanona dia tonga ny famotehana. Na mety hiafara amin’ny famoizana aina aza…” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Vonona hijoro ho an’ny tanindrazana (VHT), Razanakoto Norbert, manoloana ny toe-draharaham-pirenena tato ho ato. […]
Raharaham-pirenena : Manaitra ny mpitondra ny HVM
Naneho ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena ny eo anivon’ny antoko HVM, tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny, Rasambany Alain Desiré. Nambarany fa tokony hahay haka lesona ny mpitondra sy ireo mpiara-dia aminy. Ny fahoriam-bahoaka sy ny fahapotehan’ny firenena no tokony hanosika ny rehetra hanao tambabe hiadiana amin’ny tsy fanarahan-dalàna, araka ny nambarany. […]
Depiote Rajerson Antoine : “Mila mamokatra isika manoloana ny haba ho 47%-n’i Etazonia”
Naneho ny heviny momba ny fampiakaran’i Etazonia ny haba 47% ny Depiote Rajerson Antoine. Tokony handini-tena isika eto Madagasikara, araka ny nambarany… «Tokony handini-tena isika eto Madagasikara, ary hanomboka hijery fa misy zavatra tsy mety sy tsy manjary ataontsika eto. Raha mieritreritra handroso sy handeha lavitra eto amin’ny tany sy […]
FANTINA sy FINTINA
Nohitsin’ny depiote Gascar Fenosoa fa miharihary loatra ny mizana tsindrian’ila amin’ny fanomezana fahazoan-dalana hamory vahoaka. Nanteriny koa fa tsy mipetraka ny tsy tokony hiandanian’ny mpitandro filaminana, OMC. “Aleo hitovy ny fampiharana ny lalàna ho an’ny rehetra ary tsy tokony hatahotra fanehoan-kevitra tsy mitovy ny mpitondra”, hoy izy. Niompana amin’ny fanatsarana […]




