Politika

Kly Randriampeno Sammy: “Mitady hanjaka ny fitsaram-bahoaka”

Nambaran’ny kaoman­din’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Vakinankaratra, ny Kly Randriampeno Sammy, fa azo ihorianana ny fandriampahalemana any an-toerana. Ani­san’izany ny any amin’ny distrikan’i Mandoto. Efa voafehy izany izao. “Mitady hahazo vahana kosa anefa ny fitsaram-bahoaka sy ny fanolanana. Efa nomena baiko ireo zandary mba hanao fanentanana sy hampianatra ireo vahoaka any […]

FANTINA sy FINTINA

Efa navoakan’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana ny fampahafantarana ho an’ireo maniry ho mpikambana eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny zon’olombelona na CNIDH. Hotan­te­rahina ny 15 mey izao, eny Faravohitra, ny fifidianana ny ho solontenan’ny fiarahamonimpirenena ho mpikamban’ny CNIDH. Nosalorana samboady ny zoma teo ireo ben’ ny Tanàna miisa 25 […]

Fanatsarana fomba fiasa : fitsarana tsy mitanila sy mahaleo tena

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tao Miandri­vazo, ny fametrahana ny filohan’ny fitsarana any an-toerana, Randriamboavonjy Caëtha Zo Maharitra. Nofariparitany tamin’izany ny tetikasany. Nambarany fa hiezaka ny tenany hametraka fitsarana tsy mitanila sy mahaleo tena. “Hapetratsika koa ny fitsarana lavitry ny kolikoly ary fitsarana manakaiky vahoaka”, hoy izy. Nanteriny fa hatao […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy handeferana ny tsy fandriampahalemana”

Hentitra ny Praiministra Ntsay Christian, tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Notsindriny mafy ny momba ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana. “Nisy ny fivorian’ny OMC nasionaly, ni­jery manokana ny momba ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto an-tampon-tanànan’i Toamasina I sy ny manodidina.” hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny amin’ny fivorian’ny […]

Lalana RN7 : Miroso ny asa fikojakojana

Notanterahina omaly ny fihaonana isam-bolana eo amin’ny mpanao gazety sy ny fiadidiana ny faritra Vakinankaratra. Anisan’ny nitondra fanazavana ny talem-paritry ny Asa vaventy, Raselison Arséne. “Miroso ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena fahafito (RN7)”, hoy izy. Eo koa ny fanamboarana ny lalana eo Antsirabe sy ny ao Ambatolampy. Nohazavainy ireo lalana […]