Nambaran’ny loharanom-baovao eo anivon’ireo solombavambahoaka fa misy depiote maromaro miketrika fitsipaham-pitokisana ny governemanta eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Ireo solombavambahoaka mpiara-dia sy mpanohana ny fitondrana ary ny eo anivon’ny Irmar ihany no ao ambadik’izany. Nihaino ny hetahetan’ny vahoaka amin’ny alalan’ireo lehiben’ny sampandraharaham-panjakana any amin’ny distrikan’i Maroantsetra ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, […]
Politika
MFFT – Fihaonambe tany Washington: Nanazava ny fanavaozana ny fananan-tany
Anisan’ny niatrika ny fihaonana maneran-tany momba ny tany, natao tany Washington, ny 5 hatramin’ny 9 mey teo, ny delegasionin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Niompana tamin’ny fanentanana sy ny fikaroham-bahaolana amin’ny fahazoana ny tany izao andiany amin’io fivoriana iraisam-pirenena io izao. Nifanakalozana tamin’izany ny fahaiza-mitantana ny fananan-tany […]
Tatitry ny asa vitan’ny Arai : Maro ireo mpiasam-panjakana nahazo harena tsy ara-dalàna
Namoaka ny tatitry ny asa vita ho an’ny taona 2024 ny eo anivon’ny Sampandraharaha misahana ny famerenana amin’ny fanjakana ny harena rehetra azo tamin’ny tsy ara-dalàna (Arai). Maromaro ireo nahazo harena amin’ny fomba tsy ara-dalàna. “Marolafy ireo sokajin’olona voakasika amin’ny fahazoana harena tsy ara-dalàna. 13% ny mpiasam-panjakana. 60 % mahery […]
Mpangalatra omby: hogadraina mandra-pahafaty
Nolanian’ny solombavambahoaka tamin’ny fivoriambe, omaly, rehefa nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana ny tolo-dalàna mifehy ny halatra omby. Nanolotra izany ny solombavambahoaka voafidy ao Antsohihy, Befeno Hyacinthe Todimanana. Natao izao tolo-dalàna izao noho ny tsy fandriampahalemana ateraky ny halatra omby, manerana ny Nosy. Nambaran’ireo depiote, voamarika fa maro ireo mpangalatra omby tsy voatazona […]
Andrianainarivelo Hajo: “Ilaina ny mijoro ho an’ny fanovana marina”
Naneho hevitra amin’ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa anisan’ny manamarika ny tantaran’i Madagasikara ny 13 mey 1972, 13 mey 2002, 13 mey 2009. Nanteriny anefa fa tsy nisy ny fiovana. “Vao mainka nihamafy ny jadona, ny teritery, ny tsy fanarahan-dalàna, ny fanararaotam-pahefana, ny kiantranoantrano, […]





