Fanomezana fahafahana hizaha ny lafiny ara-pitaovana sy fiarovana mifandraika amin’ny fitsidihana ara-panjakana sy ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana, indrindra ny fandraisana fepetra fisorohana sy ny fitantanana ny fandraisana an-tanana izay trangan-javatra mety hiseho, raha ilaina. Izay ny fivoriana fandrindrana notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, teny amin’ny […]
Politika
Fahatongavan’ireo delegasionina vahiny: Nohatsaraina tanteraka Antananarivo Renivohitra
Mba tsy handalo fotsiny ihany. Manomboka hita taratra ny fiovan’ny eto Antananarivo Renivohitra tato ho ato. Handray ny fihaonana an-tampon’ny COI rahateo isika, tsy ho ela. Herinandro vitsy izao no am-perinasa avokoa ireo sehatra samihafa isan’ambaratonga ary somebiseby amin’ny fanatsarana sy ny fanadiovana ny tanàna. Tafiditra amin’ny handraisana ny fihaonana […]
Nosy Sakatia : Hanohy ny asany araka ny lalàna ny MFFT
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), afakomaly, manoloana ny hetsika fanakorontanana momba ny Nosy Sakatia-Ampasindava. “Manamafy ny MFFT fa hanohy ny asany araka ny lalàna sy hanampy amin’ny fampanjakana ny filaminana sy fanjakana tan-dalàna amin’ny sehetry ny fananantany.” Io ny fampahafantaran’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]
Depiote maro anisa : “Takinay ny hanasaziana ireo mpanakorontana”
Hentitra ary nahitsy ireo depiote maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena, miaraka amin’ny birao maharitra manoloana ny tranga niseho tany Toliara, ny faran’ny herinandro teo. “Tsy azo ekena ny fanakorontanana ara-politika atao eto amin’ny firenena ka hialokalofana amin’ny filazana ho fiarovana ny vahoaka nefa fikasana ho amin’ny fanonganam-panjakana no ao ambadik’izany […]
Fivahinianana eto Madagasikara : Hihaona eny Andafiavaratra ny filoha Rajoelina sy i Macron
Efa manomboka ampahafantarina tsikelikely ny momba ny fitsidihan’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, eto Madagasikara, ankoatra ny fanatrehany ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI). Fantatra izany, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna. “Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ Andafiavaratra ny fihaonana eo […]




