Politika

Fanatsarana fomba fiasa : fitsarana tsy mitanila sy mahaleo tena

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tao Miandri­vazo, ny fametrahana ny filohan’ny fitsarana any an-toerana, Randriamboavonjy Caëtha Zo Maharitra. Nofariparitany tamin’izany ny tetikasany. Nambarany fa hiezaka ny tenany hametraka fitsarana tsy mitanila sy mahaleo tena. “Hapetratsika koa ny fitsarana lavitry ny kolikoly ary fitsarana manakaiky vahoaka”, hoy izy. Nanteriny fa hatao […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy handeferana ny tsy fandriampahalemana”

Hentitra ny Praiministra Ntsay Christian, tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Notsindriny mafy ny momba ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana. “Nisy ny fivorian’ny OMC nasionaly, ni­jery manokana ny momba ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto an-tampon-tanànan’i Toamasina I sy ny manodidina.” hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny amin’ny fivorian’ny […]

Lalana RN7 : Miroso ny asa fikojakojana

Notanterahina omaly ny fihaonana isam-bolana eo amin’ny mpanao gazety sy ny fiadidiana ny faritra Vakinankaratra. Anisan’ny nitondra fanazavana ny talem-paritry ny Asa vaventy, Raselison Arséne. “Miroso ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena fahafito (RN7)”, hoy izy. Eo koa ny fanamboarana ny lalana eo Antsirabe sy ny ao Ambatolampy. Nohazavainy ireo lalana […]

Loholona Tsiebo Mahaleo : “Lonilony politika ny fanoherana ny Base Toliara”

Nitondra fanazavana sy ny fahitany ny firosoan’ny tetikasa Base Toliara ny loholona Tsiebo Mahaleo. Nohitsiny tamin’izany ny avy amin’ny mpanohitra. “Lonilony politika sy alahelon-tseza ary fitadiavana tombontsoa manokana no ambadiky ny fanoherana ny tetikasa Base Toliara. An’ny kaominina dimy voakasik’io tetikasa io, vahoaka atao hoe 90 % dia manohana ary […]

FANTINA sy FINTINA

Nosalorana samboady, omaly, ireo ben’ny Tanàna miisa 14 voafidy tao amin’ny distrikan’i Mananjary, 28 avy amin’ny distrikan’i Ifanadiana ary 19 avy amin’ny distrikan’i Nosy Varika. Notanterahina teo an-tampo-tanànan’i Mananjary ny lanonana. Tonga nitarika izany ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, Tokely Justin, sy ny loholona Rabema­nan­jara Nicolas. Nankatoavin’ny Rafitra ifotony fikaonandoha “SLC-R” ireo […]