Politika

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny birao politikan’ny TGV, Sahon­drarimalala Marie Michelle, fa antoko lehibe sy matanjaka ity naorin’ny filoha Rajoelina Andry ity. Nivoitra izany tamin’ny fihaonamben’ny TGV ho an’ny faritra Atsi­nanana, natao ny faran’ny herinandro teo. Hitohy any amin’ny faritra hafa izao fanomezana aina ny antoko izao. Miady an-trano ny mpitondra fanjakana ankehitriny, araka […]

MFFT sy ny tetikasa Mionjo: Nofanina hitantam-bola ireo ben’ny Tanàna

Mitohy hatrany ny fampiofanana tanterahin’ny eo ani­von’ny minisiteran’ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ho an’ ireo ben’ny Tanàna. Nisitraka izany ireo ben’ny Tanàna miisa 106 any amin’ny faritra Anôsy sy Androy, ny herinandro teo. Anisan’ny niompanan’ny fampiofanana ny dingana amin’ny fampiasana ny fama­tsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tetikasa […]

Tolo-kevitry ny loholona : Harovana amin’ny asany ireo ben’ny Tanàna

Nandray ireo ben’ny Tanàna avy amin’ny faritra Analamanga, omaly, amin’ny maha mpiahy azy ireo ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny tetsy amin’ny Antenimierandoholona. Voaresaka ny momba ireo mpitantana eny ifotony. Nambaran’ny loholona, Rakotondrazafy Lala­tiana, anisan’ny nitondra ny tolo-kevitra, fa rariny raha harovana eo am-panatanterahana ny asany ireo ben’ny Tanàna. “Mba tsy ho […]

Faritra Boeny : Ben’ny Tanàna 45 nametrahana samboady

Tontosa ny zoma lasa teo, tany Marovoay, ny fametrahana ny samboadin’ireo ben’ny Tanàna miisa 45 lany tao amin’ny faritra Boeny. Teo ambany fiahian’ny filo­han’ny Antenimierampire­nena, Tokely Justin ny lanonana. Niara-dalana tany an-toerana ny filoha lefitra ho an’ny faritanin’i Mahajanga, Soafilira Princia, sy ny solombavambahoaka rehetra avy amin’ny faritra. Nitarika ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nidera ny ezaka vitan’ny ben’ny Tanànan’Anosy Avaratra, Rakotondralala Marino ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard. Telo volana nitantanana fa nahavita kianja telo samihafa, ho an’ny tanora. “Aoka isika hibanjina ny hampandrosoana ny kaominina. Tokony hatsahatra ny adilahy politika, ny fisainana ory hava-manana”, hoy izy. Nanolotra fitaovana informatika ho an’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny […]