Politika

Fampandrosoana eny ifotony: hiara-kiasa amin’ny distrika fito ry zareo Sinoa

Noraisin’ny filohan’ny Ante­­nimierampirenena, Tokely Justin, teny Tsimbaza­za, ny de­legasionina sinoa avy amin’ ny « China NGO Network for International Exchanges – CNIE”. Nitarika izany ny filoha lefitra, Li Jun, sy ny masoivoho, Ji Ping. Niompana tamin’ny resaka diplomasia parlemantera, amin’ny maha mpanao lalàna ny Antenimieram­pirenena, ny dinika ka nanamafisan’ny filohan’ny […]

Tatitry ny Bianco Tale sy sekretera jeneraly 13 naiditra am-ponja

Namoaka tatitra ho an’ny taom-piasana 2024 ny eo anivon’ny Bianco. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa maromaro ireo tomponandraikitra ambony nampidirina am-ponja. “Tokony hisarika ny saintsika: manomboka any amin’ny tale hatrany amin’ny sekretera je­neraly, nisy 58 voasaringotra tamin’ny raharaha kolikoly ta­min’ny 2024. 13 tamin’izy ireo no notanana vonjimaika am-ponja”. Io no nambaran’ny […]

Toamasina : Naneho ny heriny ny antoko TGV

Tontosa tao amin’ny efitrano malalaky ny “Foyer Sociale”, Cité Canada, ny  sabotsy 10 mey teo, ny fihaonamben’ny antoko TGV sy ny mpikambana miaraka aminy, amin’ny fanohanana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Nahatonga solontena avokoa ny distrika rehetra mandrafitra ny faritra Atsinanana nandritra ny fihaonana. Samy nanao tatitra sy fanakianana ary soso-kevitra […]

Fahatsiarovana ny 13 mey 72 : Hamafisina ny fandriam­pahalemana eto Antananarivo

13 mey 1972 – 13 mey 2025. Feno 53 taona katroka anio ny hetsi-bahoaka teo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, nitarika ny fiafaran’ny Repob­lika I, izay namoizana ain’olona ampolony. “Tsy maintsy mailo ihany amin’ny fitandroana filaminana. Satria betsaka ny ambana”, hoy ny prefet de Police, Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, […]

Rabary Paul : “Mila mazava ny drafi-pandaminana ny Base Toliara”

Hatramin’izao, mbola ma­habe resaka ny tetikasa Base Toliara. Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul : “Tsy ny tetikasa Base Toliara no ratsy fa ny drafi-pandaminana eo amin’ny paikady fampandrosoana nasionaly mifandray amin’ny fampandrosoana ifotony no mila mazava. Io àry fa misitraka fampandrosoana tokoa ny […]