Noraisin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly, ny delegasiaonina mamita iraka eto Madagasikara avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Mitarika izany Constant Lonkeg, niaraka amin’ny solontena maharitra, miasa sy monina eto amintsika, Kodjovi Mawulikplimi Eklou. Anisan’ny nifantohan’ny fifanakalozana teo amin’ny roa tonta ny momba ireo ezaka rehetra irosoana amin’ny fanatanterahana ny […]
Politika
Fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI: Noderain’ny Diaspora ny finiavan’ny fanjakana
Namoaka fanambarana ireo fikambanana, antoko politika, olom-pirenena tsotra ary ireo Malagasy maro anisa milaravinahitra any Eoropa. Niompana amin’ny handraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI ny fanambaran’izy ireo. Nampirisika ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fandraisana ilay fivoriana iraisam-pirenena eo anivon’ny COI, hotanterahina eto Madagasikara izy ireo. “Midera ny finiavan’ny fanjakana […]
FANTINA sy FINTINA
Mampivarahontsana ny fihemoran’ny fanjakana tan-dalàna, araka ny fanehoan-kevitr’i Zazah Ramandimbiarison, omaly. “Mampiseho faharatsiana goavana amin’ny tsy fanajana ny lalàna ny tondro farany momba ny fanjakana tan-dalàna navoakan’ny World Justice Project”, hoy izy. Faha-112 amin’ny firenena 142 isika, araka ny nambarany… Niantso ny hiarovana ireo mpiaro ny zon’olombelona, araka ny fangatahan’ny […]
Fahatongavan’ireo filoham-pirenena… : Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana
Nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny firosoan’ny fanomanana ny fivahinianan’ireo filoham-pirenena maromaro eto amintsika. Handray anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI). Miara-dalana amin’izany koa ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy governemanta eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI), ny 24 avrily 2025, eto Antananarivo. Nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra fa […]
Fampiakaran-ketra nataon’ny Amerikanina: Mikaro-bahaolana ny governemanta
Manoloana ny fampiakaran’ny Amerikanina ho 47 % ny hetra haloa amin’ny entana avy aty Madagasikara, mijoro ny governemanta. Mandeha ny fitadiavam-bahaolana! Toy ny vara-datsaka ny vaovao, niely manerana izao tontolo izao, omaly! Firenena maromaro no namoahan’ny fanjakana amerikanina fanambarana mahakasika ny fiakaran’ny hetra. 47 % izany ho an’ny entana avy […]




