Notakin’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny hitaterana ao anatin’ny fotoana fohy ireo fitaovana rehetra ilaina hanatontosana ny fihaonana an-tampon’ny COI, hatao eto amintsika ny volana avrily izao. Hifarimbona amin’izany ireo minisitera sy ny governora ary ny ben’ny Tanàna… Nirary soa ny filoha nasionalin’ny Tim, […]
Politika
Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Ilaina ny fahaiza-manao sy ny fahendrena…”
Mbola nanantitrantitra hatrany amin’ireo ben’ny Tanàna ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, eo amin’ny fitantanana ny kaominina. Nanafatra ireo mpitantana eny ifotony tany Ankazobe ny tenany. Nambarany fa mafy ny asa miandry ny ben’ny Tanàna ary efa niaina izany ny tenany fony nisahana izany […]
Tetikasa TAFITA – MFFT : Hizara karatany maherin’ny 60 000
Nozaraina omaly, tany amin’ny kaominina Ambohitromby, distrikan’Ankazobe, ny karatany miisa 25 668, amin’ny alalan’ny tetikasa Tafita. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Nambaran’ireo nandaha-teny fa anisan’ny nampihena ny tsy fandriampahalemana any amin’iny distrikan’Ankazobe iny izao hetsika izao. “Tsy misy intsony […]
Antoko Fivoi : Miantso ny hanatanterahana ny fifidianana sefo fokontany
Zava-dehibe ho an’ny mponina eny ifotony ny fifidianana sefo fokontany, noho izy io iankinan’ny fiainan’ny maro. Angatahan’ny antoko Fivoi ny hanaovana izany haingana. Mangataka ny hanafainganana ny fifidianana sefo fokontany ny antoko politika Fivoi, nandritra ny fampahafantarana ireo depiote sy ben’ny Tanàna voafidy rehetra teto Madagasikara, omaly, tetsy Imerintsiatosika. “Tokony […]
Fiaraha-miasa: Hanohana ny fambolena sy ny angovo i Suède
Nandray ambasadaoro roa ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nivoitra tamin’izany ny fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa. Anisan’ny masoivoho noraisin’ny filohan’ny Repoblika i Mette Sunnergren, hisahana an’i Madagasikara sy i Mozambika. Naneho ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny angovo sy ny haitao […]




