Politika

Filoha nasionalin’ny antoko Freedom : “Tsy mitsikera fa milaza ny maharary ny vahoaka”

Namarika ny taom-pikatrohany ny antoko Freedom ny sabotsy teo, teny Ivato. Nam­baran’ny filoha nasionaliny, Rakotondrazafy Lalatiana tamin’izany fa mbola manohana feno ny filoha Rajoelina Andry izy ireo. “Tsy manakiana ny fitondram-panjakana izahay fa milaza kosa ireo maharary ny vahoaka. Tokony hitondrana vahaolana ireny”, hoy izy. Nohitsiny fa maro ireo tsy […]

Fampiasam-bola tamin’ny fifidianana : Nisy kandidà depiote nandany vola 45 000 Ar

Namoaka tombana momba ny tetibolan’ireo kandidà tamin’ireo fifidianana ny eo anivon’ny Transparency International Initiative Madagascar (TI-IM), ny herinandro teo. Anisan’izany ny fifidianana filoham-pirenena, ny depiote ary ny ben’ny Tanàna. Navoitran’ny tatitra tombana fa maherin’ny iray miliara Ariary ny tetibola farany ambony indrindra lanin’ny kandidà depiote iray, raha toa ka 45 […]

Antenimierandoholona : Hojerena ny haha marin-toerana ireo ben’ny Tanàna

Nandray ireo ben’ny Tanàna miisa valo avy amin’ny “Association des grande villes de Madagascar – AGVM” ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany. Natsidiny fa ho avy ny tolo-dalàna maromaro atolotr’ireo loholona ka tafiditra ao anatin’izany ny momba ny fahamarinan-toeran’ireo ben’ny Tanàna amin’ny fanatanterahana […]

FANTINA sy FINTINA

Niarahaba sy nirary soa ny kardinaly amerikanina, Robert Francis Prevost, voafidy ho Papa mitondra ny anarana Léon XIV ny filoha Rajoelina Andry. Noharahabainy koa ny Ekar sy ny kristianina rehetra. Nampahery ny filoha Rajoelina Andry ny loholona Rakotondrazafy Lalatiana. « Na ambohitro na ambohitr’olona, rehefa vandana dia kary. Esorina amin’ny […]

Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana…: Fifaninanana fahadiovana ho an’ny faritra 24

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fampitana am-bava avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) momba ny fifaninanana fanatsarana ny firafitry ny tanàna sy ny fahadiovana isaky ny faritra. Efa natsidiky ny filoham-pirenena, Rajo­elina Andry, ny herinandro teo, tamin’ny tafa ho an’ny vahoaka malagasy fa ho raikitra […]