Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly maraina, tao amin’ny trano fivorian’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA), ny fivorian’ireo komity teknika mpanomana ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 marsa 1947. Fankalazana ny faha-78 taona ny hetsi-panafahana ny amin’ity taona 2025 ity. Nanokatra ny fivoriana tamin’ny fomba ofisialy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Foloalindahy, ny amiraly Assany […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Niantso ireo mpanolotsaina ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, mba hikatsaka ny tombontsoa iombonana amin’izao fivorian’ny filankevitra monisipaly izao, ny alatsinainy teo, tetsy Analakely. Hotanterahina mandritra ity herinandro ity izany fivoriana izany. Tokony ho lohalaharana amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fitsarana, araka ny nambaran’ny minisitra Rakotomandimby Benjamin Alexis tamin’ny fananganan-tsaina teny […]
Fidinana ifotony teny Avaradrano: Haverina ny fitokisan’ny vahoaka ny Fananantany
Nidina ifotony teny amin’ny Biraon’ny fananantany sy ny fandrefesan-tany “Cirdoma” eny Avaradrano, ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), omaly. Nihaona sy nifampidinika tamin’ireo lehibe sy tomponandraikitra isan-tokony eo anivon’ny Cirdoma izy ireo ka nitarika izany ny Tale jeneralin’ny Sampandraharahan’ny fananantany sy ny fandrefesan-tany. Niatrika […]
Hentitra ny Prefektiora an’Antananarivo : “Tsy azo ekena ny fivoriana fanakorontanana”
Mbola nanamafy indray ny eo anivon’ny Prefektiora an’Antananarivo: voarara ny fivorivoriana resaka politika hikotrehana fanonganam-panjakana. Mivonona amin’ny mety fikotrehana hetsika politika ho any amin’ny fanonganam-panjakana ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Nandray ny fepetra rehetra mifanandrify amin’izany ny eo anivon’ny Prefektiora. “Tsy azo atao ny fivoriana ahina hiteraka korontana, indrindra fa […]
FANTINA sy FINTINA
Niantso ny miaramila tsy ho voasarika amin’ ny fihantsiana politika fa hifantoka hatrany amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny minisitry ny Foloalindahy. Nambarany fa natao hametraka fandriampahalemana izy ireo, tamin’ ny fanamarihana ny Andron’ny manamboninahitra lefitra tao amin’ny Ensoa Antsirabe, ny 1 febroary teo. Hamoaka ny valin’ny fanombanana […]




