Politika

FANTINA sy FINTINA

Nilaza ny hanova ny fomba fiasa sy ny fanoherana ny eo anivon’ny Tim, araka ny nambaran’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc teny Avaradrano, ny sabotsy teo. Hiainga eny ifotony izany fanovana izany. Nambarany hatrany fa tsy nifanaraka tamin’ ireo mpitondra ireo ny tenany. Nirava maina indray ny fihaonana nokasain’ ny HPM […]

Andron’ny manamboninahitra lefitra : Nitaky ny hanajana ny fitsipika ny Praiminisitra

Nomarihana teo anivon’ny Vondrona mpiaro ny Andrim­pan­jakana ao amin’ny Pri­matiora (BSP) ny 1 febroary ny Andron’ny manamboninahitra lefitra. Niatrika izany ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ka nanafatrafatra azy ireo. Nambaran’ny lehiben’ny go­ver­nemanta tamin’izany ny maha zava-dehibe ny firahalahiana sy ny firaisankina amin’ ny fiatrehana ny adidy sahanin’ny tsirairay. “Takina ao anatin’izany […]

Adin’i Rwanda sy i RDC Congo: Handefa miaramila dokotera i Madagasikara

Mametraka ny tanjany amin’ny resaka diplaomasia ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nilaza ny handefa miaramila mpitsabo any Congo izy hanampy ny ekipa efa an-toerana. Nambaran’ny filoha Ra­joe­lina Andry, tamin’ny fihaonamben’ny troikan’i Sadc ho mpiantsehatra fa tsy mpitazana i Madagasikara. Manoloana ny ady ifanaovan’i Rwanda sy Congo dia hanome fanampiana eo […]

Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly: Laharam-pahamehana ny fanafoanana ny tsimatimanota

Miorina amin’ny tanjona stratejika telo ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) 2025-2030, araka ny nanolorana izany teny Ivandry, omaly. Eo ny fanafoanana ny tsimatimanota, ny fampirisihana ny fomba fiasa mampandray andriakatra ny rehetra, ny fandrindrana ny fiaraha-miasa ary ny fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Eo koa ny fampiroboroboana ny kolon­tsaina […]

Fangatahan-tsodrano amin’ny fitantanana : Noraisin’ny FFKM ny ben’ny Tanàna Ramanantsoa Harilala

Noraisin’ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM, omaly, teny Andohalo, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Nivoitra tamin’izany ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ka nifampizarana sy samy nanehoana hevitra ny momba ny andraikitra iombonana eo amin’ny fiangonana sy ny CUA. Nanterin’ny ben’ny Ta­nàna, Ramanantsoa Harilala, fa ilaina ny fitokisana an’ Andria­manitra […]