Politika

Fifidianana Papa : Hiandry setroka fotsy ao Vatican izao tontolo izao

Hotanterahina anio, ao amin’ny lasapelina Sixtine, ny “Conclave”, fifidianana ny handimby ny papa François eo amin’ny fitantanana ny fiangonana katolika Roma­nina. Hitodika any Vatican ny mason’izao tontolo izao. Voa­fidy avy hatrany ny papa ny dikany rehefa miakatra ny setroka fotsy avy ao amin’ny Sixtine. Hisahana andraikitra lehibe hanonona ny anaran’ny […]

Jly Ravalomanana Richard: “Isaorana ny firaisankinan’ny Foloalindahy”

Anisan’ny nasongadin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana. Notebahiny koa anefa ireo nitsikera na nanakantsakana ary nikasa hanakorontana. Narahabainy tamin’izany ny fitondram-panjakana tamin’ny nahatontosa ny fihaonana an-tampon’ny COI. Tanteraka izany na teo aza ny sakantsakana sy ny fiketrehana korontana, araka ny nambarany. “Tsy nahomby anefa […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy namaly firy ilay ampamoaka nambaran’ ny Kly Rakotomamonjy Patrick ny praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny Tsimbazaza, raha nanontanian’ny mpanao gazety. Nambarany fa efa namaly izany ny minisiteran’ny Fiarovana. “Maromaro ireo anarana voatonona ao ka efa miroso ny fanadihadiana lalina momba izany”, araka ny nambarany. Nitaky ny tsy hampiandrasan’ny minisitra […]

Filohan’ny Antenimierampirenena: « Hamafisina ny ezaka efa natao »

“Momba ny fiainana andavanandron’ny mponina, mbola mampirisika hatrany ny governemanta sy ny tomponandraikitra samihafa hanamafy sy hanatsara ny ezaka efa ataonareo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny Antenimierampirenena”. Io no anisan’ny namba­ran’ny filohan’ny Antenimie­ram­pirenena, i Tokely Justin, tamin’ny kabary fanombohana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimiera teny Tsimbazaza, omaly. Mampita­raina vahoaka […]

Filoha Rajoelina Andry : Hifandray mivantana amin’ny besinimaro

Namoaka fanambarana fohy tao amin’ny tambajotran-tseraserany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly. Nandray fanapahan-kevitra ho amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fitantanana ny tenany. «Nandray fanapahan-kevitra aho ankehitriny fa hi­fandray mivantana aminao”, hoy izy. Nanteriny tamin’izany fa manan-jo hahalala ny zava-misy marina rehetra ny tsirairay. “Adidy iombonana ny fampandrosoana […]