Politika

Fandraisana ny filoha Frantsa: Voaporofo ny fahaizan’ny Malagasy mandray vahiny

Henin-kaja sy voninahitra ny Malagasy tamin’ny fandraisana ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron sy ireo filoham-panjakana, hafa, tonga eto Madagasikara. Nilamina amin’ny ankapobeny ny fandraisana ireo vahiny. Nirindra avokoa ny fifamoivoizana tamin’ireo lalana rehetra teto an-drenivohitra, omaly. Nanohy ny asany andavanandro ny fiara fitateram-bahoaka sy ireo zotra nasionaly. Tahaka izany koa […]

Fihaonan’ny filoha Rajoelina sy i Macron: Hiaraha-midinika any Paris ny momba ireo Nosy malagasy

Niompana amin’ny sehatra marolafy ny fihaonan’ny filoha Rajoelina Andry sy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, teny Iavoloha, omaly. Anisan’izany ny momba ireo Nosy malagasy. Nivoitra tamin’izany fa hitohy any Paris, Frantsa ny fivorian’ny vaomiera iraisan’i Frantsa sy i Madagasikara momba ireo Nosy malagasy. “Nanomboka ny taona 2019 no niresahana azy […]

Fikambanana isam-paritra : Toka-miavaka aty Afrika fa hany ahitana nosy irery ihany ny COI

Ao anatin’ny fihaonana an-tampony faha-V ataon’irao filoham-panjakana eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) izao. Manana izay mampiava azy aty Afrika ny COI. Na eo amin’ny fijoroany, na ny asany… Izay tsara ho fantatra. Fikambanana iraisam-pirenena noforonin’ireo minisitry ny Raharaham-bahin’i Maurice sy i Sey­chelles ary i Madagasikara, tany Port-Louis, Maurice, tamin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nodimandry, omaly, ny masoivohon’i Madagasikara any Frantsa, Rajohnson Hugues Rija. Tokony ho miara-dia amin’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, izy amin’izao fitsidihana hataony eto amintsika izao ny raha ny tokony ho arofenitra. Efa minisitry ny Rano sy ala ny taona 1997-2002. Tale kabinetran’ny Tetezamita koa ny 2011-2014. Nitondra fanazavana momba ny […]

Fihaonana an-tampon’ny COI : Hahetsika ny “Forces spéciales” sy ny Emmo

Tsy an-kiato ny fivoriana ary mbola nitohy ny herinandro teo, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Nivoitra tamin’izany fa handray fepetra manokana ny mpitandro filaminana mandritra ireo hetsika lehibe ireo ary hiatrana amin’ny toerana maromaro ny Emmo/Nat. “Harovana ny mpitarika ambony sy ny toerana hivantananan’izy ireo ary ny toerana hanaovana ny fivoriana […]