Tontosa ny faran’ny herinandro, tao amin’ny kaominina Evato, distrikan’i Farafangana, ny fanamafisam-pihavanana teo anivon’ny fikambanana Tohitroky, ivondronan’ny foko valo. “Sarobidy amiko ny fihavanana. Raha tsy mihavana sy mifankatia isika, tsy handroso izany i Madagasikara. Nozarazaraina isika nanomboka tany amin’ny fanjanahantany.” Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
I Jean-Marc Grosgurin no masoivoho manokana sady manana fahefana feno, vaovaon’ny Repoblika frantsay, eto Madagasikara. Tamin’ny alalan’ny didim-panjakana navoakan’ny filoha Emmanuel Macron, ny 7 aogositra lasa teo izany, ary nivoaka tao amin’ny Gazetim-panjakana frantsay, ny 8 aogositra. Izy no nandimby ny ambasadoro Arnaud Guillois. Tokony hifantoka bebekokoa amin’ny fifidianana sy […]
Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana : ”Ny samy Malagasy no mandamina ny firenena”
”Ny Malagasy samy Malagasy no mandamina ny raharaham-pirenena. Ny avy any ivelany dia manohana sy manampy fa isika Malagasy no tompon’andraikitra amin’ny famaritana ny hoavin’ny firenentsika.” Io ny nambaran’ny Praiminisitra Rajanarison Mamitiana teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, omaly, namory ireo sokajin-kery na olona manana solontena ao amin’ny komity teknika misahana ny […]
Filohan’ny Fanavaozana : “Finoanoam-poana ny fakana zaza varira”
Nitsidika ny ivontoeram-pampianarana ireo olona manana toe-tena varira ny Filohan’ny Fanavaozana, omaly. Nambarany, nandritra izany, fa finoanoam-poana ny fakana ireo zaza varira. “Ny finoanoam-poana no mahatonga an’io. Raha olona mitodika amin’Andriamanitra, tsy mahasahy mikitika an’ireto ankizy ireto”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fitsidihan’izy mivady […]
FANTINA sy FINTINA
Fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Etazonia sy i Madagasikara ny fihaonan’ny filoha, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny ambasadaoro mpisolo toeran’i Etazonia, i Thomas D. Bevan, teny Iavoloha, omaly. Eo ny sehatry ny fiarovana sy ny fandriampahalemana. Eo koa izay hanamafisana ireo fiaraha-miasa efa misy ireo sehatra vaovao azo hiaraha-miasa. Tonga nanao […]





