Politika

KMF/Cnoe: “Tokony hamoaka paikady mazava ny mpitandro filaminana”

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’nyKMF/Cnoe. Nambaran’izy ireo fa tena ilaina ary tokony ho hentitra ny fiarovana ny vahoaka. “Tokony hamoaka paikady hiarovana ny Malagasy amin’ny asa ratsy ny mpitandro filaminana, indrindra ahazoan’ny Malagasy manana fahatokisana fa manana mpitandro filaminana mahaaro azy izy” Io ny fanehoan-kevitry ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nohitsin’ny fanambaran’ny Tim fa mampivarahontsana ny famonoana olona, halatra olona, herisetra, fampihorohoroana… « Miantso ny fitondram-panjakana izahay amin’ny fametrahana fepetra hentitra hampitsaharana izao zava-misy izao », hoy ny fanambarana nosoniavin’ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Ny Riana. Hanaratsy endrika antsika ny tanjon’ny sasany manoloana izao toe-draharaha izao, araka ny nambaran’ny depiote, Ramananarivo Orlando, omaly. […]

Ady amin’ny kolikoly : Notokanan’ny Filoha ny birao vaovao ao Toamasina

Anio 11 jolay ny Andro afrikanina ho an’ny ady amin’ny kolikoly. Ho fankalazana izany, notokanan’ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, tany Toamasina, omaly ny biraom-paritra vaovaon’ny Bianco. Lohahevitra ny hoe: “Fanamafisana ny fampiroboroboana ny rariny sy ny ady amin’ny kolikoly aty Afrika”. Nofidina nampiantrano ny hetsika i […]

Fivoriana tsy ara-potoana : Hajoro ny vaomiera hanadihady an-dRajoelina Andry

Hiroso amin’ny fivoriana tsy ara-potoana ny eo anivon’ny Antenimierampirenena. Anisan’ny mety hodinihina ny fitoriana ireo mpitondra ambony. Nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, tamin’ity herinandro ity, ny fanaikana ity Andrimpanja­kana ity hivory tsy ara-potoana. Nambaran’ny loharanom-baovao iray eny Tsimbazaza fa anisan’ny lahadinika amin’ny fivoriana, raha tsy misy ny fiovana, ny momba […]

Be-Rija Ravelomanantsoa: “Fototry ny olana ny forongony nomen-tseza”

«Fanakorontanana ny fiarahamonina sy ny fitondram-panjakana ny trangana famonoana olona misy eto amin’ny firenena», hoy i Be-Rija Ravelomanantsoa, raha na­nao fanambarana tao anaty tambajotran-tserasera izy, omaly. «Aparitaka amin’ny tambajotran-tserasera izany mba ho­entina maneho fa tsy mahaaro ny vahoakany ny mpitondra», hoy izy. Efa misy ny ezaka ataon’ny fanjakana, ahafahana mamaha […]