Politika

FANTINA sy FINTINA

Nanome toromarika sy fampahatsiahivana ireo tomponandraikitra ao Toamasina ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany fa efa maro ireo asa vita sy natomboky ny minisitera tao anatin’ny sivy volana. Nanteriny koa fa tsy voafetra amin’ny fikaonandoha ihany ny fanavaozana. Miantso ny mpisafo raharaham-panjakana “Inspection générale de l’État […]

Fanaraha-maso ny tondrozotra : Tonga eto ny iraky ny ONU sy ny Vondrona afrikanina

Nigadona eto amintsika, omaly, ny delegasionina avy amin’ny Firenena mikambana (ONU), tarihin’i Parfait Onanga- Anyanga sy ny avy amin’ny Vondrona afrikanina (UA), i Mohamed Idriss Farah. Na­voitran’ny fanambaran’ny mi­nisiteran’ny Raharaham-bahiny fa hanamafy hatrany ny fa­havononan’ireo fikambanana roa tonta hanohana an’i Ma­dagasikara izao dian’izy ireo eto izao. « Ao anatin’ny fizotry ny […]

Minisiteran’ny Fitsarana : “Fandikan-dalàna ny fitsaram-bahoaka ka melohina”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Navoitran’izy ireo, tamin’izany, ny momba ilay ”Raharaha tany Maintirano”. “Araka ny lalàna velona sy manankery eto amin’ny tany sy ny fanjakana, tsy azo heverina ho meloka ny olona iray raha tsy efa nisy fanadihadiana sy fanangonana porofo feno, ary notsarain’ny fitsarana mahefa”. Io […]

FANTINA sy FINTINA

Nanao antso avo ny filoha, ny Kly Ran­drianirina Michaël, tao Toamasina, ny herinandro teo ny amin’ny fiaraha-mientana hikarohana ireo nahavanon-doza namono zaza. « Tohizonareo tanora ny fitiavan-tanindrazana. Mety manana vaovao ianareo momba ireny tranga ireny. Aza manaiky ampiasaina hanakorontana », hoy izy. Hentitra ny fanambaran’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana manoloana ny […]

Atidohan’ny hala-jaza… : Mitaky sazy henjana ny avy amin’ny MMM

Iza no tena ao ambadika sy tompon-kevitra ary ny tena atidoha? Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ma­no­loana ireo trangana fangalaran-jaza sy famonoana olona niseho tato ho ato. Manameloka ireny karazana habibiana ireny ity antoko naorin’Andrianainarivelo Hajo ity. « Takinay ny fanadihadiana lalina, hentitra sy haingana ary sazy henjana ho […]