Nandray fepetra manokaka ny fitondrana Fanavaozana. Nambaran’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël fa hisy fandraisana andraikitra eny ifotony manoloana ny tranga miseho amin’izao fotoana izao. ”Vonona ny hamatsy ny Andrimasom-pokonolona ny fitantanana ny fanavaozana ny Repoblika », hoy ny filoha Michaël Randrianirina. Nanteriny fa fandraisana andraikitra eny ifotony amin’ny fanomezana ara-potoana […]
Politika
Madagasikara – ONU : Tsara sy mihamafy ny fifandraisana ho amin’ny fiaraha-miasa
Nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ny taratasy manendry azy ho solontena maharitra an’ny Repoblikan’i Madagasikara eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) tamin’ny sekretera jeneralin’ny ONU, Sem António Guterres, tany New York, Etazonia, omaly, ny masoivoho Rahajarizafy Lanto. Tamin’ny fihaonana, nampita ny fiarahabana avy amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina […]
FANTINA sy FINTINA
Mijoro hatrany ny HVM manoloana ireo fihetsika miendrika fandrahonana manohintohina ny demokrasia, araka ny fanambaran’izy ireo. «Miaro ny fahalalahana maneho hevitra izahay ary manohitra ny fihantsiana sy ny fandrahonana mifanohitra amin’ny soatoavina… Manohana sy mankahery ny mpitondra amin’ny ezaka ataony», hoy ny fanambarana. Efa mihatra mivantana amin’ny aina ny fanakorontanana […]
Birao maharitry ny Ceni : Mifandanja ny lahy sy ny vavy, feno ny mpikambana
“Mipetraka tsara ny fifandanjana eo amin’ny lahy sy ny vavy: efatra lehilahy, efatra vehivavy”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), Rakotonarivo Thierry, teny Anosy, omaly, taorian’ny fahavitan’ny fianianan’ny mpikambana farany izay solontenan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara eo anivon’ny birao maharitra, i Anne Raymonde, teny […]
Toe-draharaham-pirenena : Manameloka ny fanakorontanana ny HPM
Nifoha tamin’ny torimasony ny Hery politika mitambatra na HPM. Manameloka ny endri-pihantsiana sy fanankorontanana izy ireo. Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Hery politika mitambatra (HPM), omaly, tetsy Ambatomena. Hentitra izy ireo manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana. «Helohinay amin’ny herinay rehetra ireo fihetsika miendrika fihantsiana sy fanakorontanana na avy ato anatiny […]




