Politika

FANTINA sy FINTINA

Anisan’ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry ny momba ny asa fanaovan-gazety. “Ampirisihiko ireo tena mpanao gazety hanatanteraka ny asany am-pahamendrehana”, hoy izy tamin’ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, omaly. Niarahaba sy nirary soa ireo miasa eo amin’io tontolo io ny filohan’ny Repoblika. Homarihina sy hankalazaina ny faha-1 700 taonan’ny konsily tany […]

Hafatry ny mpiandraikitra foibe FJKM : “Aoka hojerena ny fahoriam-bahoaka”

Nivory ny herinandro teo, tao amin’ny CFD Ampan­drana, ny eo anivon’ny mpiandraikitra foibe FJKM. Nampita hafatra ho an’ny kristianina sy ny vahoaka ary ny mpitondra sy ny mpitandro filaminana izy ireo tamin’izany. “Miantso ny mpitondra fanjakana handray andraikitra sy hitondra vahaolana manoloana ny fahasahiranana sy ny fahorian’ny va­hoaka. Na ara-toekarena, […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo : Hanafatra trakitera ny fitondram-panjakana

Nitondra fanazavana momba ny toe-draharaham-pirenena ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Anisan’ny nambarany, tamin’izany, ny hanavaozana ny tontolon’ny fambolena hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nasongadin’ny filohan’ny Repoblika fa hanafatra trakitera ny fanjakana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, niainga amin’ilay lohahevitry ny fihaonana an-tampon’ny COI farany teo momba ny fanatsarana ny tontolon’ny fambolena. “Ha­tsangana […]

FANTINA sy FINTINA

Nanao fanambarana noho ny fetin’ny asa, ny 1 mey teo, ny filoha Rajoelina Andry. Nambarany fa miaraka manangana ny firenena ao anatin’ny herim-po sy ny fitiavana ary mitondra anjara biriky amin’ny fanorenana sy fampandrosoana ny firenena isika. “Man­ka­sitraka ny ezaka sy ny fanoloran-tenan’ny tsirairay izahay”, hoy izy. Miharatsy hatrany ny […]

Vinavinan’ny Ceni : faran’ny mey ny hamerenana ny fifidianana

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa efa namolavola tetiandro hanatanterahana ny famerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna izy ireo. Mbola mitaky fepetra anefa ny hanaovana izany. Novinavinain’ity rafitra mi­karakara sy mpanomana fifidianana ity fa tokony hotanterahina ny faran’ny volana mey any ho any ny famerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna. Efa miomana ny […]