Nanao antso avo amin’ny zanak’Ambohimanga, ny Jly Ravalomanana Richard. “Andao isika zanak’Ambohimanga Rova tsy hanaiky hatao fitaovana politika intsony…”, hoy izy. Nentaniny ny rehetra hifanome tanana amin’ny ben’ny Tanàna voafidy tao an-toerana mba hisian’ny fampandrosoana. Efa misokatra ao amin’ny tranokalan’ny masoivoho ny fangatahana fihaonana manokana amin’ny ambasadaoro any Etazonia, Rakotomalala […]
Politika
Praiminisitra Ntsay Christian : “Vola 150 miliara Ar no azo tamin’ny fanodinkodinana”
“Tao anatin’ny dimy taona, mahatratra 150 miliara Ar ny vola azon’ny fanjakana nampiasaina tamin’ny fampandrosoana ny firenena toy izay nampisaina fotsiny any amin’ny kolikoly, tandrevaka, fanodinkodinam-bolam-panjakana”. Io ny kabarin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNL CC) 2025-2030, teny Ivandry, omaly. Hita tao […]
Minisitry ny Raharaham-bahiny : “Aoka tsy hamboly korontana sy hampisara-bazana”
Naneho ny heviny sy nampita hafatra ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, omaly. Anisan’ny tena nitodihany ireo teratany malagasy milaravinahitra any ivelany. Tsy hadinony tamin’izany koa anefa ny nanafatrafatra ireo malagasy eto an-toerana. “Tokony hiara-kientana amin’ny asa fampandrosoana isika Malagasy rehetra, na aiza na aiza misy antsika. Aoka tsy hamboly […]
Fiaraha-miasan’ny FMI sy ny MFFT : Hamafisina ny ady amin’ny mpangalatra tany
Noraisin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Anosy, omaly, ireo iraka avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Nivoitra tamin’izany ny fifanakalozana eo amin’ny roa tonta amin’ny hanohizana ny ezaka hiadiana amin’ny kolikoly sy ny fangalarana tany. Voatsiahy tamin’ izany ny fiaraha-miasan’ny MFFT amin’ireo rafitra samihafa, toy […]
FANTINA sy FINTINA
Noesorina tsy ho ambasadaoro any amin’ny Vondrona Eoropeanina sy any Bruxelles, i Beriziky Omer, araka ny didim-panjakana teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha. Tsy mbola notendrena kosa ny hisolo azy amin’izany toerana izany. Nanao tohivakana ireo niarahaba noho ny taona vaovao sy ny nahalany fanintelony indray ny ben’ny […]




