Midina ifotony hatrany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) amin’ny alalan’ny sampandraharaha eo aminy. Anisan’ izany ny misahana ny fananantany (DGSF). Nitsidika ny biraon’ny fananantany tany Maevatanàna izy ireo, omaly. Anisan’ny anton’izany ny fijerena ireo olana sy ny hitondrana vahaolana eny ifotony manoloana ny fananantany. […]
Politika
Holafitry ny mpisolovava : “Maimaimpoana ny fiarovana ny marefo”
Nifarana omaly, tetsy Anosy ny fikaonandoha iraisam-pirenena eo amin’ireo mpisolovava. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny avy amin’ny Holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara. Nambaran’ny lehiben’ny Holafitra, ny Me Raondry Alain, fa mandrotsaka latsakemboka ny fanjakana ho amin’ny lafiny fiarovana. “Maimaimpoana ny fahazoan’ireo marefo mpisolovava raha ny voalazan’ny lalàna amin’ny ady madio. […]
Depiote Rabenirina Jean-Jacques: “Tsy manana sora-bola hamonjena traboina izahay”
“Aoka hazava ny andraikitry ny tsirairay manoloana ny fisian’ny traboina. Izahay solombavambahoaka dia tsy manana sora-bola natokana hamonjena ny olona traboina toy izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Betioky Atsimo tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Rabenirina Jean-Jacques, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny famonjena traboina. Raha misy ny mahita an’izay […]
Fiaraha-miasa : Hizara traikefa amin’ny Tafika Malagasy i Tiorkia
Nandray ny masoivohon’i Tiorkia miasa sy monina eto Madagasikara, Ishak Ebrar Çubukçu, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Nivoitra tamin’ny fihaonana fa efa nahazo tombony tamin’ ny fampiofanana tany Tiorkia ny Tafika Malagasy. Nisongadina tamin’ny lahadiniky ny roa tonta nandritra ny fihaonana rahateo ny […]
Baolina kitra any Allemagne: Tafiditra anatin’ny « onze type » i Bolo
Miezaka mampiseho sy mampisongadina ny tenany any Allemagne ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, i Voahariniaina Kanto Fitiavana na i Bolo. Araka ny fikarohana natao omaly, tafiditra anatin’ireo mpilalao 11 tsara indrindra, “onze type”, taorian’ny andro faha-24 ny fifaninanana rezionaly ny tenany. Tapa-bolana mahery teo izay no niarahan’ity Malagasy ity tamin’ny […]