Natsahatra tamin’ny andraikitra maha mpiahy ara-drariny na mediatiora azy ny Pr Andrianaivontseheno Ravaka. Nisaotra sy nankasitraka ny vahoaka malagasy manontolo tamin’ny fiaraha-mientana, ny fahatokisana ary ny fanohanana ny tenany. Nisaotra ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka koa tamin’ny fahatanterahan’ny asa. Ny filohan’ny HCC no voalaza fa nitory ny radio Antsiva ka nampiantsoan’ny […]
Politika
Ralaivahiny Frerot : « Tsy milisin’ny Kly Michael ny Bandeau rouge… »
Naneho hevitra manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny «Bandeau rouge», amin’ny alalan’ny mpitondra teny, Ralaivahiny Frerot. Nambarany fa vovonana iray ahitana antoko politika sy fikambanana ary olon-tsotra ny «Bandeau rouge». Nitsangana tamin’ny fotoana nampamaivay ny tolona, fony andron’ny fitondrana Rajoelina. «Efa nanana endrika fanandevozana toy ny tamin’ny andron’ny mpanjanaka tamin’izany […]
Fidinana ifotony : Mitaky asa mivaingana ny Praiminisitra Rajaonarison
Anisan’ireo nidina ifotony any Toamasina, miaraka amin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly. Hentitra ny nambarany manoloana ireo tomponandraikitra isan-tokony. «Asa mivaingana no andrasan’ny olom-pirenena amintsika mpitondra. Tsy tatitra hampifaliana fa hanitsiana ny tsy mety no atao. Ny zava-misy tenenina fa aza misolelaka», hoy izy tamin’ny fihainoana ireo […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy tokony hisy aina ho very noho ny raharaha politika, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Nohamafisiny fa tsy azo ekena intsony ny fakana an-keriny sy ny herisetra, ary handraisana fepetra hentitra ireo tompon’antoka. Nidina nijery sy nitsidika ireo fianakaviana niharam-boina ny filoha mivady, omaly. Hentitra ny Praiminisitra, […]
Fepetra avy amin’ny Prefektiora: Haraha-maso akaiky ny mpanala fanadinana
Manao ranolava ny hetsika fandraisana andraikitra. Nanao fanambarana ny eo anivon’ny prefektiora, omaly ka nanentana ireo ray aman-dreny mba handray an-tanana ny zanany. « Tapitra rahampitso (anio) ny fanadinana BEPC. Alaivo eny amin’ny ivon-toeram-panadinana tsirairay ny ankizy. Entanina isika mba handray an-tànana ny zaza. Efa misy fepetra manokana avy amin’ny hery […]




