Politika

Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana : ”Ny samy Malagasy no mandamina ny firenena”

”Ny Malagasy samy Mala­gasy no mandamina ny raharaham-pirenena. Ny avy any ivelany dia manohana sy manampy fa isika Malagasy no tompon’andraikitra amin’ny famaritana ny hoavin’ny firenentsika.” Io ny nambaran’ny Praiminisitra Rajanarison Ma­mi­tiana teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, omaly, namory ireo sokajin-kery na olona manana solontena ao amin’ny komity teknika misahana ny […]

Filohan’ny Fanavaozana : “Finoanoam-poana ny fakana zaza varira”

Nitsidika ny ivontoeram-pampianarana ireo olona manana toe-tena varira ny Filohan’ny Fanavaozana, omaly. Nambarany, nandritra izany, fa finoanoam-poana ny fakana ireo zaza varira. “Ny finoanoam-poana no mahatonga an’io. Raha olona mitodika amin’Andriamanitra, tsy ma­hasahy mikitika an’ireto ankizy ireto”, hoy ny filohan’ny Fa­navaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, tamin’ny fitsidihan’izy mivady […]

FANTINA sy FINTINA

Fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Etazonia sy i Madagasikara ny fihaonan’ny filoha, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny ambasadaoro mpisolo toeran’i Etazonia, i Thomas D. Bevan, teny Iavoloha, omaly. Eo ny sehatry ny fiarovana sy ny fandriampahalemana. Eo koa izay hanamafisana ireo fiaraha-miasa efa misy ireo sehatra vaovao azo hiaraha-miasa. Tonga nanao […]

Depiote Rajerison Antoine : “Tsy mipetraka sy tsy voahaja ny etika sy ideolojia politika”

“Mandeha ny resaka hoe horavana ny Antenimierampi­renena. Eo koa ny hoe hoesorina ny mpikamban’nyy birao maharitra. Hita hoe misy karazana depiote amin’izao na teo aloha sy olompirenena mivondrona manangana fikambanana na vovonana.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny Fivoi, Rajerison Antoine, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny […]

Bruno Fuchs : Nandiso ny feo miely fa iraka manokana no anton-diany

Manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara, nanomboka tamin’ity herinandro ity, ny delegasionin’ny Antenimierampirenena frantsay. Tarihan’ny filohan’ny kaomisionin’ny raharaham-bahiny eo anivon’ny Antenimierampirenena frantsay, i Bruno Fuchs, izany. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, teny amin’ny Masoivoho Frantsay, Amba­tomena, omaly, ny filohan’ny kaomisionin’ny raharaham-bahiny, eo anivon’ny Anteni­mi­­erampirenena frantsay, i Bruno Fuchs. Ny anton-diany eto […]