“Manamafy izahay fa mahaleo tena ny firenena malagasy. Ny vahoaka malagasy irery ihany no masi-mandidy amin’ny fandraisana ireo fepetra heverina fa tokony hitondrana ny firenena”. Io ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, namarana ny fivorian’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo. Noho izany, tsy azo ekena izay rehetra mety […]
Politika
Filoha teo aloha, Ravalomanana : « Nandalo sedra ny Tim tao anatin’ny 24 taona »
Nomarihina teny Faravohitra, ny sabotsy teo, ny faha-24 taonan’ny Tim. Notsiahivin’ny filoha mpanorina, Ravalomanana ny lalana nodiavin’ny antoko. «Maro ny fisedrana tao anatin’ny fito taona nitantanana firenena sy ny taorian’izany. Nandalo fitsapana sy ny sakantsakana ary hetraketraka. Mbola mijoro anefa ny Tim», hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny mampiavaka ny antoko […]
FANTINA sy FINTINA
Hentitra ny depiote Milavonjy Philobert. Mitaky ny hamelana ny rehetra handray anjara amin’ny fifidianana sy tsy isian’ny fanilikilihana izy. Nanteriny koa fa tsy tokony hanizingizina amin’ny tsy fisian’ny gadra politika ny Praiminisitra. «Takinay koa ny tetiandro mazava amin’ny fifidianana sy ny fotoana hitantanana ny Fanavaozana», hoy izy. Nohitrikitrihin’ny depiote Randrianasolo […]
Toe-draharaham-pirenena : Mitaky fandraisana andraikitra haingana ny MMM
Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nanaitra ny rehetra sy nanao antso avo ny tenany tamin’izany. Nambarany fa mahazo vahana tanteraka ny fandikan-dalàna amin’ny endriny samihafa eto amin’ny firenena, indrindra rehefa mandalo vanim-potoana tahaka izao. «Mitaky ny fandraisana andraikitra haingana sy anatin’ny […]
Antenimierampirenena : Araka ny filana fototry ny vahoaka ny fangatahan’ireo depiote
Nivadika ho fangatahana sy fitarainana ny fihaonana teo amin’ny depiote sy ny governemanta. Nilaza ny maharary azy sy ny vahoakany ny ankamaroany. Nisy koa ny dokadoka isan-karazany. “Momba ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fotodrafitrasa, ny seha-pamokarana, ny fandriampahalemana, ny vidim-piainana, ny fiahiana ny mponina, ny jiro sy rano ary ny […]




