Politika

Miantso ireo kandidà ny OSCEAH : “Andraikitry ny ben’ny Tanàna ny hisitrahana rano”

“Raha ny lalàna misy eto amintsika, ny ben’ny Tanàna na ny kaominina no tomponandraikitra voalohany amin’ny fametrahana fotodrafitrasa amin’ny rano ary ny fidiovana sy fanadiovana eny ifotony”, hoy ny fanairan’ny fiarahamonina sivily Organisation de la société civile eau, assainissement et hygiène (OSCEAH), notarihin’ny filohany, An­driamitandrina Naivosoa, teny Anosy, omaly. Zo […]

MDAT : Vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly amin’ny fangalaran-tany

Nanomboka omaly ny varavarana misokatra ho an’ny ady amin’ny kolikoly amin’ny fangalaran-tany. Hataon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ho vaindohan-draharaha izany. «Zava-dehibe ny fiaraha-miasa mba ha­metrahana ko­lontsaina mangarahara amin’ny asa atao andavanandro. Ny kolikoly amin’ny fangalaran-tany sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary dia mitondra voka-dratsy manakana […]

Kandidà Harilala Ramanantsoa: Manana tetikasa tena ilain’ny vahoaka eto Antananarivo Renivohitra

Maro ireo vinan’asa kasain’ireo kandidà hotanterahina mandritra ny fe-potoam-piasany amin’ny maha ben’ny Ta­nà­na azy. Misy anefa ny vina fohy ezaka ao anatin’izany noho ny zava-misy iainan’ny va­hoaka. Raha ho an’Antana­na­rivo Reni­vohitra manokana, laharam-pahamehana ny rano fisotro madio sy ny jiro, izay tena mam­­pijaly ny rehetra ankehitriny. Eo ihany koa ny […]

Fiatrehana fifidianana: mikasa ny hanara-maso biraom- pifidianana 2 455 ny Safidy

“Ho an’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly amin’ity, mikasa ny hanara-maso biraom-pifidianana miisa 2 455 miparitaka amin’ny kaominina 205, mandrakotra ny faritra 23 sy distrika 120 eto Madagasi­kara ny Safidy”. Hoy ny Safidy, novakin’ny mpitondra teniny, Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, omaly. No­safidina arakaraka ny habetsahan’ny mpifidy ao aminy ireo kamonina ireo. […]

Fandaharanasa Mifampitsimbina : hizarana fanampiana ny tokantrano marefo

Manatanteraka ny toky nomeny ny filoha, Rajoelina Andry. Nantomboka omaly, ny fandaharanasa ”Mifampitsimbina”. Hahazo ny anjarany ny tokantrano marefo isaky ny renivohi-paritany. Notanterahina omaly teny kianja ANS Ampefiloha ny fanombohana ny fandaharanasa “Mifampitsimbina”. Nanokatra izany ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Nanotrona azy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina […]