Nolanian’ireo solombavambahoaka, omaly, teny Tsimbazaza, ny tolo-dalàna momba ny fampiasana ny teny malagasy. Misongadina amin’izany fa ho amin’ny teny malagasy avokoa ny taratasim-panjakana rehetra. Nambaran’ny depiote, Rakotoaritiana Navalona Francky, nitondra izany tolo-dalàna izany, fa anisan’ny tanjona ny fanamafisana ny toeran’ny teny malagasy amin’ny sehatra ofisialy sy ny fiainam-pirenena. Voarakitra ao […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nanomboka teny Ivandry, omaly, ny fanaovana tombana an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly. Roa no atrehina amin’izany: ny ady amin’ny kolikoly, ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana. Ao anatin’ny Fanavaozana, ezaky ny fitondrana ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ary ny fanadiovana ny raharaham-barotra eto […]
“Tsy misy gadra politika eto Madagasikara”, hoy ny Praiminisitra sy ny Filoha
“Tsy misy gadra politika eto Madagasikara”. Io ny valintenin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, teny Ivandry, omaly, manoloana ny toromariky ny Sadc tamin’ny fihaonana manokana nampitain-davitra, tany Botswana, afakomaly, momba an’i Madagasikara. Fandikan-dalàna avokoa no nisian’ny fanasaziana. Anisan’ny fehinkevitry ny SADC ny hamerenana ny antso hamotsorana ireo gadra politika sy ny hampitsaharana […]
Mila mihavana hoy ny SADC : “Mivoaka ny gadra, mody ny sesitany”
Mazava ny zotra ho an’ny SADC, mila miverina amin’ny Lalàmpanorenana i Madagasikara. Mila mihavana ihany koa. Mahitsy ny valin-kafatra avy amin’ny mpitondra: manaja ny toromarika, saingy tsy misy gadra na sesitany politika izany. “Miantso amin’ny fampihavanana, famerenana ireo nanao sesitany ara-politika, ary famoahana ny gadra politika”, izay no vontoatin’ny fanambarana […]
FANTINA sy FINTINA
Nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, nandalo tany Morondava, Faritra Menabe, ny fiandohan’ny herinandro teo, fa vonona izy hanampy ny Faritra. Amin’ny alalan’ny fahatongavan’ireo depiote 40 any ho any voafidy tany an-toerana tonga tamin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana izany. Manan-danja ny tontolo iainana ary tsy zanak’Ikalahafa i […]




