Efa miditra manao fanadihadiana momba ireo fananan-dRavatomanga Mamy koa ny rafi-pitsarana frantsay misahana ireo hosoka ara-bola (PNF). Efa tonga ao Maorisy izy ireo. Tsiahivina fa raharaha famotsiam-bola no anenjehan’ny « Financial Crimes Commission – FCC» azy atsy amin’ity Nosy rahavavy ity. Mitaky ny karaman’ny sefo fokontany ireo depiote, nanoloana ny minisitry ny […]
Politika
Didim-panjakana fampisondrotana : Hiakatra ho 315 000 Ar ny karama farany ambany
Nilatsaka ny 29 jona teo ny didim-panjakana mamaritra ny fampisondrotana. Hiakatra ho 315 000 Ar ny karama farany ambany eny anivon’ny sehatra tsy miankina. Voalaza ao anatin’izany didim-panjakana izany fa indroa miantoana ny fampiakarana ka ho 300 000 Ar izany ary mbola hisondrotra ho 315 000 Ar amin’ny oktobra ho avy izao. Misongadina […]
Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana : “Mitarika manontolo ny fikaonandoha ny FFKM”
Nifanatrika tamin’ireo depiote eo anivon’ny Antenimierampirenena ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra, omaly, teny Tsimbazaza. Anisan’ny nitondrany fanazavana ny momba ny fikaonandoham-pirenena. “Nahitsy ny fomba fiasa : nanapaka ny Filohan’ny Fanavaozana, hamafisina fa ny FFKM no mitarika manontolo ny fikaonandoham-pirenena”. Io ny fanazavan’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, tamin’izany. Omena ny FFKM ny asa rehetra […]
FANTINA sy FINTINA
Nitondra ny heviny ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nambarany fa mpikambana eo anivon’ny ONU isika ka tsy afa-miala amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. «Hanao sahala an’i Burkina Faso isika raha hiala tanteraka amin’ireo iraisam-pirenena ireo. Mbola sarotra ho an’i Madagasikara anefa izany», hoy izy. Ilaina ny tsy fitovian-kevitra mba hisian’ny fifanakalozana […]
MFM: “Miantso ny FFKM hampanao dinika politika aloha… “
“Somary sahirana ihany izahay mpanao politika amin’izao. Tsy mazava ny fomba hitondran’ny FFKM ny fikaonandoham-pirenena”. Izay ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, manoloana ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Na izany aza, misy zavatra tokony hojeren’ny FFKM ihany. Satria tsy resaka sosialy na toekarena na kolontsaina no hatao, fa […]




