Politika

Antson’ireo Malagasy any ivelany: “Tsy mendrika antsika izao zava-misy izao”

Nanao fanambarana ireo Malagasy anaty fikambanana 2CO2M any ivelany. Niantso ny hery eto amin’ny firenena izy ireo fa efa halohalika ny ranombary. “Tsy mendrika ny Malagasy izao zava-misy izao. Tena tsy rariny satria fanambaniana tsotra izao. Aleo maty mitsangana toy izay velona mandadilady “, hoy izy ireo. Voatsiahy amin’izany fa […]

Governoran’Analamanga: “Tsy any amin’ny korontana intsony ny vahoaka”

Nitondra ny heviny manoloana ny hivoahan’ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna rahampitso ny governoran’ Analamanga, Rasoamaro­maka Hery. Nambarany fa sakana amin’ny fampandrosoana ny savorovoro eto amin’ny firenena, indrindra fa ny eto Antananarivo Renivohitra. “Efa tsy mahataitra ny vahoaka na mahasarika azy intsony ny korontana. Ekena fa tsy tonga lafatra saingy hitan’izy ireo […]

Mpanohitra: mila hajoro ny departemanta politika

Manoloana ny raharaham-pirenena, mitondra ny heviny, Ralison Roger, mpiratirika ny vondrona Hery politika mitambara (HPM). “Tsy hanao fifidianana ny anay hatramin’izany, fa hoe: ahoana ny hahazoana manova ny fitondrana hahazoana miaro sy mametraka ny vahoaka ho tena tompon’ny fahefana? Tsy ireny nataon’ny kandidà 11 (C11 ) ireny ny fomba fitolomana”, […]

Ceni: 800 ny antontan-taratasy nangatahin’ny fitsarana

“Ho an’Antananarivo, eo amin’ny 800 ny antontan-taratasy nalefa eny amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana”, hoy ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraka lefitra, Rava­o­harinirina Hanitriniaina, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny voka-pifidianana ben’ny Tanà­na sy mpanolotsaina. Tsy miverina mikirakira taratasim-pifidianana ny Ceni, fa manao tantsoraka amin’ny andidian’ny lalàna azy hanome izay […]

Randrianirina Jean Ignace: “Miasa mangina ny antoko politika amin’izao”

Aiza ho aiza ny antoko politika eo amin’ny tontolo politika amin’izao? Mihamahazo vahana miandalana ny mahaleo tena na tsy miankina… Maneho ny fijeriny ny filoha mpiara-mitantana eo anivon’ny antoko MFM, Randrianirina Jean Ignace. Dinidinika. Gazety Taratra (*): Nahoana ny antoko no tsy miantsehatra firy amin’ny tontolo politika? Randrianirina Jean Ignace […]