“Mandroso eo ambany fitarihan’ny filoha ny Fanavaozana ny Repoblika”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, nandray ny delegasionin’ny Firenena mikambana (ONU) misahana ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava (ONUDC), teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, omaly. Solontena avy any Djibouti sy Tanzania izy ireo, hanao tombana ny fampiharan’i Madagasikara ny fepetra ao amin’ny […]
Politika
SADC : Hodinihina manokana ny momba an’i Madagasikara
Nandinika manokana momba ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ireo filoham-panjakana 16 mpikambana eo anivon’ny vondrona Sadc, tany Botswana, omaly, araka ny fampitam-baovaon’ny Sadc. Nitarika izany ny filohan’i Afrika Atsimo, i Matamela Cyril Ramaphosa. Nodinihina ny fivoaran’ny toe-draharaha politika sy ny filaminana eto Madagasikara. Nojerena tamin’ny antsipiriany ny tatitr’ireo iraky […]
FANTINA sy FINTINA
“Ny asa ihany no jerena: iza no tena miasa?” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tim, Ravalomanana Marc, teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana ry zareo. Ny hamonjena ny vahoaka sahirana izao no tena mahamaika. Tsy miteny sy mangina izy, fa mafy […]
Rwanda — Madagasikara : Nohamafisina ny fiaraha-miasa
Anisan’ny vahiny manokana tamin’ny fankalazan’i Madagasikara ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny fijoroan’ny Foloalindahy malagasy ny minisitry ny Atitany avy amin’ny Repoblikan’i Rwanda, i Nasser Biruta. Nisolo tena manokana ny filohan’i Rwanda, i Paul Kagame, izy. Nihaona tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sady lehiben’ny diplaomasia malagasy, i N’Diaye Alice, teny […]
Kolonely Randrianirina Michaël : Hitsidika ny Siranala sy ny Sucoma
Nigadona any Morondava, omaly hariva, ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël. Tafiditra anatin’ny fandaharam-potoany ny fitsidihana ny orinasa Siranala sy ny dinika amin’ny mpiasan’ny Sucoma. Manatanteraka fitsidihana any amin’ny faritr’i Menabe, ankehitriny, ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël sy ny delagasionina tarihiny. Votoatin’ny fidinanana ifotony ny politika manakaiky […]




