Politika

Fanavaozana lisi-pifidianana : Tsy an’ny Ceni irery ny fanentanana

“Tsy anjaran’ny Ceni irery ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny fisoratana anarana eny anivon’ny fokontany ao anatin’izao fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana izao”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël. Teny Alarobia, omaly, manoloana ny famaranana vonjimaika ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) anio 15 febroary no nanambarany izany. Ma­nana […]

Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona afrikanina : Anisan’ireo mpifidy ny filoha Rajoelina Andry

Hotanterahina, anio, ao Addis Abeba, ny fifidianana ny ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA). Miisa telo ireo kandidà hofidina ka anisan’ireo mpifidy amin’izany ny filoha Rajoelina Andry. Miisa telo ireo kandidà hifaninana ho filoha ka anisan’izany ny minisitra teo aloha, Randriaman­drato Richard. Efa nahazo ny fanohanana sy fankatoavan’ny firenena eo […]

FANTINA sy FINTINA

 Nilaza ny hoavy hanatrika ny fihaonana an-tampon’ny SADC, hatao eto Madagasikara, ny mpanjakan’i Eswatini, Mswati III. Hotanterahina ny aogositra izao ny fivoriana. Nivoitra izany tamin’ny fihaonany tamin’ny filoha Rajoelina Andry, tany Dubai. Niombon-kevitra ny roa tonta ny hanamafisana ny fiaraha-miasa.  “Mpitarika iray, vina iray, kaontinanta iray”. Teny faneva nandresena lahatra […]

Fitantanana ny CUA: Hijoro ho arofanina Ravololomanana Lalatiana

Nivoaka amin’ny fahan­gi­nany ny mpanolotsain’ny Ta­nàna, Ravalolomanana Lalatiana, manoloana ny fitantanana ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra (CUA). Nambarany fa vonona hatrany ny tenany hijoro sy hitondra ny traikefany eto amin’ny tanàna. “Hipetraka ho ray aman-dreny sy hampita ny fahaiza-manao izahay. Efa nandalo fepotoam-piasana telo ka tsy mety ny mandray baiko fotsiny […]

Fandaharanasa iarahana : Nampivoatra ny teny ifotony ny Pnud sy ny MFFT

Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, ny solontena maharitry ny Pnud, Dr Edward A. Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Anisan’ny nifanakalozana tamin’izany ny fanohanan’ny Pnud, amin’ny alalan’ny MFFT, ny fandaharanasa « Rindra ». Miompana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fanatsarana ny […]