Nanao fanambarana tetsy amin’ny Arena Ivandry ireo depiote avy amin’ny Irmar, omaly. Nanao antso avo amin’ny filohan’ny Repoblika izy ireo tamin’izany manoloana ireo tsy maharaka ny hafainganam-pandehan’ny filoha. “Aoka hosaziana sy hoesorina ireo tomponandraikitra tsy mahefa ny adidy napetrakao taminy sy amin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Takin’izy ireo amin’ny mpanatanteraka […]
Politika
Tojo Ravalomanana: “Tsy kandidà raha tsy nisy ordonansa”, hoy ny Ceni
Tamin’ny 3 oktobra 2024, tonga teny amin’ny Ceni ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, nametraka taratasy fanekena ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana amin’ny fakana ordonansa. Izay ny fanazavan’ny birao mpanatanteraky ny Ceni, notarihin’ny tonia mpanatanteraka, Rakotondrasoa Tseheno, tamin’ny mpanao gazety, teny Alarobia, omaly, manoloana ny resabe ny amin’ny fakana […]
Fikaroham-bahaolana: ho raikitra ny fikaonandohan’ny herivelona
Nanao fanambarana ireo eo anivon’ny Komity iombonan’ny mpiasa (Kim) sy ireo sendikà ary ireo mpanao politika vitsivitsy. Nambaran’izy ireo, tamin’izany, fa efa tena halohalika ny ranom-bary. «Tsy mandeha ho azy ireny hafatra sy fanambarana nataon’ireo raiamandreny am-panahy ireny. Koa miantso ny herivelona eto amin’ny firenena izahay hikaondoha hiaraka hitady vahaolana […]
Fifidianana ben’ny Tanàna: 200 mahery ny raharaham-pitsarana
Maherin’ny 200 ireo fitoriana momba ny fifidianana ben’ny Tanàna voarain’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf), etsy Anosy. Anisan’ny efa notsaraina teny an-toerana ireo fitoriana maherin’ny 60 avy any amin’ny faritra Bongolava sy ny any Itasy ary koa ny eto Analamanga. Samy andrasana amin’ny famoahan’ny Taf ny voka-pifidianana ofisialy […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Tsy misy indrafo ho an’ireo mpangalatra tany”
Anisan’ny nitondra fanazavana ny momba ny paikady sy ny fepetra iadiana amin’ny mpangalatra tany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, tamin’ny filankevitry ny minisitra, omaly, teny Iavoloha. Niaiky ny tenany fa anisan’ny mampikaikaika ny olona izany ka nametrahana ny paikady iadiana amin’ny kolikoly sy ny […]




