Hatao toeram-pitsidihana fitaratra amin’ny fizahantany aty Afrika ny ranomasimbe Indianina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nivoitra izany nandritra ny kabarin’ny filoha Rajoelina Andry tany amin’ny fivoriambe WGS tany Dubai, ny 12 febroary teo. Miantso ny mpisehatra rehetra amin’ny fizahantany sy ny naman’i Madagasikara, hanokatra ny varavarany sy ny fony ny filoha […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nankasitrahin’ny avy amin’ny Pnud, amin’ny alalan’ny solontena maharitra, Edward A. Christow, ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Nivoitra izany tamin’ny fihaonany tamin’ny minisitra Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly. Niompanan’ny dinika koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Miisa 12 ireo kaominina hamerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna, […]
Fisarihana ny mpampiasa vola : Hanampy ny EDBM ny MFFT
Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny “Economic Development Board of Madagascar – EDBM”, Randriamandranto Joel. Nivoitra tamin’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fisintonana ireo mpampiasa vola vahiny sy ny hanamorana ny hahatongavan’izy ireo eto […]
Filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina: Manohana ny kandidàn’i Madagasikara ny Sadc
Hotanterahina rahampitso, ao Addis Abeba, ny fifidianana ny ho filohan’ny Vondrona afrikanina (UA). Resy lahatra amin’ny firotsahan’ny kandidà, malagasy, Randriamandrato Richard ireo firenena afrikanina. Anisan’ny efa nanao fanambarana fanohanana sy resy lahatra amin’ny firotsahan-kofidin-dRandriamandrato Richard ireo firenena miisa 16 mivondrona eo anivon’ny Sadc, amin’izao fifidianana ny ho filohan’ny vaomieran’ny UA […]
Fanaovan-tsonia Santatra : Miara-miasa i Madagasikara sy ny Emirats-Arabo Mitambatra
Notanterahina omaly, tany Dubai, ny fanaovan-tsonia santatra. Fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana roa tonta. Antsoina hoe Accord de partenariat économique global na Comprehensive Economic Partnership Agreement (CEPA) izany fifanarahana izany. Nisolo tena ny fanjakana malagasy, tamin’izany, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, misolo toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny […]





