Politika

Fifidianana ben’ny tanàna: nolavina ny fitorian’i Tojo Ravalomanana

Notsipahin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf), Anosy, ny fitorian’ny kandidà nangataka ny fanalana an-daharana an-dRamanantsoa Harilala. Andrasana rahampitso ny didim-pitsarana. Nolavin’ny fampanoavana ny fangatahana fanintsanana an-daharana ny kandidàn’ny Irmar amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna eto Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Fitoriana nataon’ny kandidà isany: Razafinjoelina Tahina sy i Gascar Fenosoa, ary […]

Depiote Rakotondrasoa Fetra: “Tsy resy lahatra amin’ny fanakorontanana ny vahoaka”

Naneho ny heviny momba ny toe-draharaham-pirenena ny depiote Rakotoarisoa Fetra. Tsy resy lahatra amin’ny fanakorontanana ny vahoaka, araka ny nambarany. «Tsy tokony holalaovina hoe : «izahay te hiditra, fa ianareo no manakana». Fa ny tena marina, ny vahoaka malagasy no tsy resy lahatra intsony amin’izany asa fanakorontanana atao eto amin’ny firenena izany». […]

Disadisam-pifidianana: miantso fifanatonan’ny hery rehetra ny Tim

Nambaran’ireo kandidà ben’ny Tanàna avy amin’ny Tim sy ny Firaisankina fa mitsipaka sy tsy hankato ary tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny alalan’ny hosoka sy ny halatra manerana ny kao­minina maro izy ireo. “Miantso ny kandidà rehetra sy ny an­toko politika ary ny olom-pirenena izahay mba hitsangana sy hifanatona haingana […]

KMF/Cnoe: « Aoka hohajaina ny lalàna… »

Nitondra ny heviny manoloana ny resabe tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Notsiahivin’izy ireo, tamin’izany, ny momba ny lalàna. “Tsy mahagaga raha misy fifandroritana, fa tsy mipetraka ny fomba famakiana ny lalàna”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tany Morondava, ny faran’ny […]

Fitakian’ny RMDM: “Ampahafantaro ireo ordonnances aman’aliny”

Amin’ny anaran’ny mangaraharaha, araka ny fitakiana. Nitondra valin-kafatra ho an’ny eo anivon’ny Ceni ny avy amin’ ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia (RMDM). Nambaran’ny mpitarika, ny pasitera Tsarahame Edouard, tamin’izany, fa nampahafantarin’ny Ceni sy naseho ampahibemaso ny taratasy fangatahan’ny kandidà Ravaloma­nana Tojo, ny ordonnance na­hafahany miditra anaty lisi-pifidianana. “Koa takinay […]