Politika

Filohan’ny Antenimierampirenena : “Ilaina ny firaisankina sy ny fifampitokisana”

Tanterahina any Seoul Korea ny fihaonambe maneran-tany 2025, karakarain’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana “Fédération de la paix universelle – FPU”. Miatrika izany, any an-toerana, ny filohan’ny Antenimierampire­nena, Tokely Justin. Anisan’ireo nandaha-teny tamin’izany ny tenany. “Ani­san’ireo foto-kevitra iorenan’ny fandriampahalemana ma­haritra ny firaisankina sy ny fifampitokisana eo amin’ny firenena, ary ireo […]

Fihaonana an-tampon’ny COI: Eo amin’ny dingana famaranana ny fikarakarana

Andro isaina sisa ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampony V eo anivon’ny COI. Amin’izao, eo amin’ny dingana famaranana ny fikarakarana ankapobeny. 12 andro sisa… “Eo am-pamaranana ny fanomanana isika ankehitriny. Efa milamina avokoa ny lafiny arofenitra, ara-pitaovana… Dingana famaranana ny fikarakarana amin’ny ankapobeny”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata […]

Teknolojia Async: Hanamora ny fitantanana orinasa

Nampahafantarina, teny Ivandry, afakomaly, ny « Asyn­chrone – Async », iarahana amin’ny “Bureau international de consultation en informatique-Bici”. Fampiarahana ny “Intelli­gence artificielle – IA” hiasa anatin’ny antontan-kevitra sy antontam-baovao na «Système d’information » iasan’ny orinasa izy io. Hanamora ny fitantanana orinasa ny fampiara­hana izany mba hiasa miaraka amin’ny fikirakirana ara-bola, […]

Tetibola sy ny fananan-tany : Nofanina ireo ben’ny Tanàna any Andilamena

Notanterahina ny alarobia teo ny fanentanana momba ny Birao solontenan’ny fananan-tany iraisana (BSFI) any amin’ny distrikan’Andilamena. Teo koa ny fanofanana ireo mpitantana ifotony. Anisan’ny nampahafan­tarina tamin’izany ny momba ny fametrahana ny BSFI, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nandray anjara tamin’izany ny depioten’Andi­lamena, ny governoran’ny fa­ritra […]

FANTINA sy FINTINA

Voatendrin’ny filankevitry ny ministra ho filohan’ny “Comité pour la sauvegarde de l’intégrite-CSI”, Andriamifidy Jean Louis. Efa tale jeneralin’ny Bianco ny tenany. Efa nisahana ny “Conseil consultatif de l’Union africaine sur la corruption – CCUAC” aty Afrika ary tale kabinetran’ny Ceni koa. Mikasa ny hitsidika eto Madagasikara ny filohan’ny Repoblika slovène, […]