Notanterahina teny amin’ ny Kianjan’ny Barea Mahamasina, omaly, ny lanonana fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena sy ny faha-66 taona nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy. Nanetriketrika ny fankalazana. Toy ny mahazatra, nisy ny matso lehibe, nahitana mpandray anjara 3 800 isa. Filoham-panjakana roa nanome voninahitra ny fotoana. Anisan’izany ny filohan’ny vondro-nosy Kaomoro, Azali Assoumani […]
Politika
Kolonely Randrianirina Michaël: « Tsy mbola mahaleo tena i Madagasikara »
Miantso firaisankina ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, mba hanatrarana ny tena fahaleovan-tena. Nohamafisiny fa mbola miankindoha tanteraka amin’ny firenena vahiny i Madagasikara ka zary miaritra fahatany ny fanatontoloana. Nanao lahateny fohy ho an’ny vahoaka malagasy, halina, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël. Nivoitra, tamin’izany, ny […]
Hentitra ny fiarovana ny ain’ny manam-pahefana mandritra ny matso
Vonona hanatanteraka ny matso lehibe eny Mahamasina, rahampitso, ny Foloalindahy, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny minisitry ny Foloalindahy. Vita tamin’ny 23 jona lasa teo ny famerenana farany ho an’ny matso miaramila sy sivily, nanamafy ny fahavononan’ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS) sy ny mpandray anjara rehetra. Mahatratra 3 800 ny […]
Fetin’ny fahaleovantena: marihina anatin’ny firaisankina
Toy ny isan-taona, maro ny manao asa sosialy isam-pokontany. Misy ny fizarana harendrina sy vatomamy ho an’ny ankizy, solombodiakoho ho an’ny zokiolona. Hiavaka ny fankalazana amin’izao Fanavaozana izao. Fokontany maro eto an-drenivohitra no nisitraka fizarana vatomamy sy harendrina ary solombodiakoho avy amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Anisan’ny nisitraka izany ireo ankizy miisa […]
Diplaomasia: manamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny Repoblikan’i Iran
Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra marolafy. Izay no nifanakalozana sy nisongadina tamin’ny nanoloran’ny masoivoho vaovaon’ny Repoblika Islamika Iraniana eto Madagasikara, Sem Sabzali Alizera, ny taratasy fanendrena azy ho an’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Tamin’ny fihaonana, naneho ny fanirian’i Iran […]




