Nitondra fanazavana. Nambaran’ny governoran’ Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly, fa tsy mitsahatra miasa andro aman’alina ho fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny COI ireo mpiasa rehetra eo amin’izy ireo. “Ivon’ny fivoriambe ny eto Analamanga ary efa tao anaty fandaharanasa hanatsarana ny Renivohitra, ataon’ny faritra, ireo asa rehetra tanterahina amin’izao fotoana […]
Politika
Filoha Rajoelina Andry : “Zava-dehibe ny fampivoarana ny sosialy sy toekarena”
Niara-nidinika tamin’ny eo anivon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ny filohan’ny Repoblika. Anisan’ny niompanan’ny fifanakalozan-kevitra ny momba ny sosialy sy ny toekarena. «Zava-dehibe ny dinikasa manoloana ny firosoan’ny ezaky ny governemanta malagasy amin’ny fanavaozana marolafy ho amin’ny fampivoarana ny sosialy, indrindra ny toekarena». Io no anisan’ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny dinikasa […]
Fanamboaran-dalan’ny 2AH : Nofanina ara-teknika ny ao Amboanana
Nanomboka ny fanamboaran-dalana ao Ampahimanga-Manalalondo. Anisan’ny tena ratsy ny 4km amin’ny 30km mampitohy an’Ampahimanga – Amboanana, ka nambaran’ny filohan’ny ONG 2AH, Andriamihaja Andriatsimiandriambony Iadjah, fa hitadiavana fiaraha-miasa amin’ny faritra Itasy izany amin’ny fampiasana “Engin”. Na izany aza, hatao « piste » na lalantany mifanaraka amin’ny toe-tany ny fanamboarana ny lalana […]
Fivorian’ny COI : Manentana ny mpanao gazety ny MSK
Nambaran’ny talen’ny Serasera eo anivon’ny minisiteran’ ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), Rasaony Pascal, fa hanana ny adidiny amin’ny fampitam-baovao ireo mpampahalala vaovao amin’ny fandraisana ny fivorian’ny COI eto Antananarivo. Nentaniny ny mpanao gazety mba hametraka dieny izao ny fangatahana fahazoan-dalana handrakotra ny fikaroham-baovao amin’izany. “Afaka mandefa fangatahana ho an’olona […]
Iraky ny ONU : Hizara traikefa ho fisorohana loza an-dalambe
Nigadona teny Ivato, omaly, ny iraka manokan’ny sekretera jeneralin’ny ONU, i Jean Todt. Hanao fitsidihana momba ny fiahiana sy fisorohana ny loza eny an-dalana “Sécurité routière”. Hanatrika sy hizara ny traikefany momba izany izy mandritra ny fanombohana ny fanentanana ho fisorohana ny loza eny an-dalambe, hatao etsy Anosy, ny zoma […]