Politika

FANTINA sy FINTINA

Nandiso ny naoty fanerena ny mpiasam-panjakana hanatrika ny matso eny Mahamasina ny minisitry Seresera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa. « Tsy marina velively ary tsy avy amin’ny fitondram-panjakana iny naoty iny. Ireo efa naloan’ny vahoaka no mivoy izany mba hankahalana ny fitondrana mijoro sy ny tenako minisitra », hoy izy. Nankalaza ny […]

HCC : Vita fianianana ireo mpanolotsaina avo vaovao

Vita fianianana tamin’ny fotoam-pitsarana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Am­bohidahy, omaly, ireo mpanolotsaina avo roa vaovao, izay vao nofidian’ny Antenimieram­pirenena. Tsy iza fa Vazison Honoré sy Razafindramasy Faralahy Célestin, izay mpandimby toerana an’ireo roa vao nametra-pialana tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Tamin’ny fianianana, nanolo-tena hanatanteraka antsakany sy andavany […]

Depiote Randrianasolo Jean Nicolas: « Aza resahina intsony fa tsy nisy fanonganam-panjakana teto »

Nitondra fanazavana momba ny fahitany ny zava-misy eto amin’ny firenena ny depiote voafidy tao Betroka, Randrianasolo Jean Nicolas. Nohamafisiny nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny Antaninarenina, fa tsy nisy fanonganam-panjakana mihitsy teto, ka aza resahina intsony izany. Mifamahofaho ny zava-misy eto amin’ny firenena satria mbola misy ireo tsy […]

FANTINA sy FINTINA

Voafidin’ny Antenimierampirenena ho mpanolotsaina avo ao amin’ny HCC, Razafindramasy Faralahy Célestin sy Vazison Honoré. Miisa efatra ireo kandidà nirotsaka ka ireo roa nahazo vato be indrindra no voafidy tamin’ny fifidianana natao, omaly, teny Tsimbazaza. Tsiahivina fa izy ireo no hisolo toerana ireo roa nametra-pialana, afakomaly. Voatendry ho tale jeneraly vonjimaika […]

fikaonandoham-pirenena: Tokony havoaka ny tetiandro

“Tokony tsy hihoatra ny volana oktobra ny fikaonandoham-pirenena hitambaran’ny besinimaro. Entanina ny FFKM hametrapetraka ny teti­andro”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny antoko Se­hatra fampandrosoana ny demokrasia eto Madagasikara (SFDM) eo anivon’ny vovonana Diovy i Madagasikara, i Beanjara Paul, momba ny fiatrehana ny fikaonandoham-pirenena. Tokony ho hay ny manambatra ny […]