Politika

Justice et Paix: “Mpifaninana fa tsy mpifahavalo ny mpanao politika”

Nitondra hafatra momba ny fanaovana politika eto Madagasikara ny Justice et Paix. ”Mpifaninana fa tsy mpifahavalo ny mpanao politika”, hoy izy ireo. “Iangaviana ianareo mpanao politika mba hanana toe-tsaina mpifaninana fa tsy mpifahavalo. Satria samy milaza fa tia tanindrazana”. Io no anisan’ny hafatra nampitain’ny vaomieran’ny Justice et Paix eo anivon’ny […]

Ady amin’ny kolikoly: ilaina ny kolontsain’ny fahitsian’ny mpiasam-panjakana

Ny sazy famaizana, ny fepetra hanamafisana ny fahitsiana amin’ny fandraisana mpiasa, ny fivezivezena, ny fisondrotana amin’ny asa… Anisan’ny fepetra hanamafisana ny fahitsian’ny mpiasam-panjakana ireo. Nison­gadina izany tamin’ny fanohizana ny fakan-kevitra isan-dohahevitra tarihin’ny Komity mpamolavola ny paikadim-pirenena vaovao iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) teny amin’ny Bianco Am­bohibao, ny faran’ny herinandro teo. Manan-danja […]

FANTINA sy FINTINA

Tafapetraka ny faran’ny herinandro teo, ny foiben’ny kandidà Ravalomanana Tojo ho an’ny boriborintany fahefatra, eny Namontana. Tonga teny an-toerana ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc, sy ny kandidà ary ireo depiote. Nambaran’ireo nandaha-teny fa kandidà vonona sy vanona ho amin’ny fitantanana ny Renivohitra ny kandidà Ravalomanana Tojo. Mitaky ny hamoahan’ny Ceni […]

Fepetra sy masontsivana : nampahafantatra ny ho ben’ny Tanàna ny TI-IM

Namoaka ireo fepetra sy masontsivana tokony ho fantatry ny olom-pirenena ka mendrika ny ho ben’ny Ta­nàna ny eo anivon’ny Trans­parency International – Ini­tiative Madagascar. Namba­ran’izy ireo, tamin’izany, fa tokony hofantarina tsara ireo ho kandidà. Azo antoka sy azo itokisana ireo mpiara-dia amin’ilay kandidà, araka ny fijerin’ny TI-IM. “Manana ny fahaiza-manao […]

Filoha Rajoelina: “Hiadiana manokana ny fakana an-keriny”

Nosalorana mariboninahitra ”Brevet de mérite” sy medaly ny filohan’ny Répoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny lanonana ara-miaramila teny Iavoloha, afakomaly, amin’ny maha filoha faratampon’ny Foloalindahy azy. «Ankoatra ny fiadiana amin’ny asan-dahalo, anaovana iraka manokana fa hiady amin’ny fakana an-keriny isika. Eo koa ny fandravana ny tambajotra maro isan-karazany». Io ny hafatry […]