Hanatanteraka ny politikan’ny fanovana ny rafi-pamokarana i Madagasikara. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny Praiminisitra, Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly, ny tale mpandrindram-paritry FAO aty Afrika Atsimo sy Atsinanana, i Talla Patrice. Fantatra koa fa hapetraka ny paikady iadiana amin’ny valala ka hampiasana angindimby manokana. Tontosa omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny ben’ny […]
Politika
KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA : “Tompon’andraikitra voalohany isika…”
Niatrika ny fananganan-tsaina, voalohany niaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, omaly tetsy anolon’ny lapan’ny Tanàna, Analakely. Tsotra ary mazava ny toromarika nomeny tamin’izany. “Hiaraka hiasa isika ary hitady vahaolana hanarenana ny tanàna satria isika no tompon’andraikitra voalohany amin’izany”, hoy izy, nanoloana ireo […]
Governora Rasoamaromaka Hery: “Hiara-hiasa akaiky amin’ireo ben’ny Tanàna izahay”
Vita ny fifidianana. Maro anisa ny olom-boafidy miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Manaporofo ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana izany. Naneho fahavonona ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Hiara-hiasa akaiky amin’ ny ben’ny tanàna vaovao ny faritra Analamanga. Toky nomen’ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery izany, omaly, tetsy Ambohidahy. Zava-dehibe rehefa olona afaka […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Arovantsika amin’ny taniny ny tantsaha”
Fanamby goavana. Nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina fa manana andraikitra eo amin’ny fambolena ny eo anivon’ny minisitera tantaniny. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny “Journée de concertation nationale sur la transformation agricole”, natao teny Ivato, ny herinandro teo, ny eo anivon’ny MFFT. Voaresaka tamin’izany fa […]
Rasoaniaina Malalatiana : “Mifampiresaka ihany no vahaolana”
“Raha te hitady filaminana isika eto Madagasikara, mifampiresaka ihany no vahaolana. Tsy misy fitiavan-tena tokony hapetraka”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny vehivavy sady mpikamban’ny birao foibe eo anivon’ny antoko MFM, Rasoaniaina Malalatiana, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fisian’ny mpanao politika mpanohitra sasany tsy manaiky ny valim-pifidianana ben’ny Tanàna […]





