Politika

FANTINA sy FINTINA

Tokony ho samy tomponandraikitra ny rehetra ary aoka hanatanteraka ny adidiny ny tsirairay, araka ny nambaran’ny depiote Rakotoarisoa Jhonny, afakomaly. Nametraka ny ben’ny tanànan’Ivato ny tenany tamin’ izany ary nanentana ny rehetra mba tsy hifanome tsiny na hitsikera befahatany. “Aoka isika ho mpitondra vahaolana”, hoy izy. Nampahafantatra ny lanjan’ny fiarahamonim-pirenena […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina : “Ampy izay ny korontana politika”

“Efa ampy izay ny koron­tana politika sy ny fikoronta­nana mitranga. Maniry hifantoka amin’ny fiainany sy ny asany andavanandro ny vahoaka. Tonga ny fotoana mba hahazoantsika hiara-miasa ao anatin’ny fahatoniana, hiala amin’ ny ady sy ny fifandrafiana, ary hifantoka tanteraka amin’ny fampandrosoana”. Io ny kabarin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana […]

Ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala : “Tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny politika”

Tontosa, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ho ben’ny Tanàna an-dRamanantsoa Harilala. ” Tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny politika”, hoy izy. “Manantena aho fa ny politika dia tsy sa­kana intsony ho amin’ny fampandrosoana ny tanàna”, hoy ny ben’ny Ta­nàna, Antananarivo Renivo­hitra, Ramanantsoa Harilala, tamin’ny lanonana […]

Fiarovana ny tany : Nofanina ireo mpanao gazety any amin’ny faritra

Ho fanakaikezana bebe kokoa ny vahoaka. Nofanina ireo mpanao gazety any amin’ny faritra mba hampahafantatra ny lalàna eo amin’ny fananan-tany. Miara-miasa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) sy ny avy amin’ny Foibem-pitantanana ny sampan-draharahan’ny fananan-tany itsinjaram-pahefana (DSFD) ary ny FAO ho amin’ny fampanjariana izany. Samy […]

FANTINA sy FINTINA

Hapetraka anio amin’ny fomba ofisialy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Rama­nantsoa Harilala. Hitarika sy hanotrona izany raha tsy misy ny fiovana ny filoha, Rajoelina Andry. Hotantera­hina manoloana ny Lapan’ny Tanàna izany. Hisy, araka izany, ny fahatapahan-dalana manodidina an’Anala­kely izao maraina izao. Tonga marobe ireo vahoaka tamin’ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny […]