Voafidy ny zoma teo ny biraon’ny filankevitry ny Tanànan’Antananarivo. Filoha, maharitra, Andriamparany Guy Ralitera avy amin’ny Irmar. Filoha lefitra kosa ny amin’ny HE Mada, Toavina Ralambomahay. Mpampiaka-teny voalohany Navalona Francky Rakotoaritiana (Mouvement Gasikara) ary mpampakan-teny faharoa ny Tim, Nomenjanahary Nasandratra. Nambaran-dRakotoarisoa Alban na i Gangstabab fa nisy namadika ireo mpanolotsaina […]
Politika
Depiote Fomendraza Haingo Elisette : «Tsy azo atao sorona intsony ny vahoaka»
“Matanjaka hatrany ny vondrona politika miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Tsy azo atao sorona intsony ny vahoaka, fa tokony hiara-miasa tanteraka amin’ny fitondram-panjakana mijoro”. Io fanehoan-kevitry ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Fianarantsoa, i Fomendraza Haingo Elisette, tany amin’ny renivohitr’i Matsiatra Ambony, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny valim-pifidianana ofisialy tamin’ny fifidianana […]
Antoko MMM : «Ilaina ny fahasahiana sy ny fijoroana…»
Nanatanteraka fifampiarahabana noho ny taona vaovao ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena. «…Tena sahirana ny vahoaka… Ilaina ny fahasahiana mijoro sy manova ho amin’ny tsaratsara kokoa», hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo tamin’ny lahateniny, tetsy Ankerana. Nambarany fa […]
Fivoahan’ny voka-pifidianana: Ben’ny Tanàna roa tsy hita ny nanjavonany
Maromaro ireo ben’ny Tanàna vao voafidy no ahina ho voasaringotra amin’ny kolikoly. Anisan’izany ny ben’ny Tanànan’Antsiranana, i Jean Luc Djavojozara. Nofidin’ny vahoaka any an-toerana tamin’ny salanisa 65% ny tenany na tsy afaka nanao propagandy aza. Ny ekipany ihany koa no nametraka ny an-tontan-taratasy firotsahany. Efa namoahana didy fampisamborana avy amin’ny […]
Tsy fahatomombanana : Haverina ny fifidianana amin’ny kaominina maromaro
Anisan’ny nanamarika ny fifidianana ben’ny Tanàna natao ny 11 desambra teo ny tsy fahatomombana sy ny tsy fanarahan-dalàna na koa ny hosoka. Teo koa ny fanodinkodinana ny voka-pifidianana. Anisan’izany ny tany amin’ny faritanin ‘i Fianarantsoa ka tsy maintsy haverina ny fifidianana amin’ ny kaominina miisa efatra. Eo ny tany amin’ny […]





