Mbola hiala nenina. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly fa tsy tokony ho kivy ny mpanara-dia azy ireo manoloana ny voka-pifidianana teto Antananarivo Renivohitra sy ny tany amin’ny faritra. “Tsy mbola tapitra ny lalana fa mbola afaka mametraka fitoriana fandravana didy isika manoloana ny voka-pifidianana hosoka ka hampiakatra ny […]
Politika
Rasoamaromaka Hery : “Azo atao tsara ny mitondra ny tanànan’Antananarivo”
Nilaza ny heviny momba an’Antananarivo Renivohitra ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Nambarany fa ilaina hatrany ny fifampiresahana eo amin’ireo mpanolotsaina. “Azo atao tsara ny mitondra ny tanànan’ Antananarivo”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly, ny amin’ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra manoloana […]
Fihaonamben’ny minisitra eto Afrika : Nandray anjara ny MJS, Moustapha Marson Abdulah
Anisan’ireo firenena nandray anjara tamin’ny fihaonamben’ny minisitera izay natao tany Gambie, ny 21 janoary lasa teo, i Madagasikara. Noresahina tamin’izany ny fanatsarana ny fitantanana ny fanatanjahantena eto Afrika. Notontosaina afakomaly, tany Banjul Gambia, ny fihaonamben’ny minisitera eto Afrika, izay niarahana tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena Unesco, Usada, Wada, UA. Lohahevitra noresahina tamin’izany […]
Sakantsakana tao Toamasina : Nilaza ny tsy hipetra-potsiny Ratsiraka Roland
Naneho ny heviny, taorian’ ireny sakana natao azy tsy afaka naneho hevitra, ny faran’ ny herinandro teo, ny depiote Ratsiraka Roland, omaly, tao Toamasina. Hentitra ny nambarany. “Tsy hanaiky hatramin’ ny farany izahay ary hiady amin’ny hametrahana ny mangarahara sy madio eto amin’ ny firenena”, hoy izy, taorian’ ny nivoahan’ny […]
Sehatry ny raiamandreny: “Vonona izahay ny hitarika… “
Nanao fanambarana ireo eo anivon’ny Sehatry ny raiamandreny (Sera), ny 19 janoary teo, manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao. Nambaran’izy ireo fa mila fisitranana sy fanasitranana ny firenena. “Efa voapetraka ary hohazavaina tsy ho ela ny fenitra sy ny paikady ary ny haitao ara-kajy mirindra ho amin’izany. Vonona izahay ny hitarika ny […]





