“Tena miara-miasa akaiky i Rwanda sy i Madagasikara, izay firenena roa tena manana fifandraisana mipetraka ary mbola handalina misimisy izany fiaraha-miasa izany eo amin’ny roa tonta”. Io no nambaran’ny ambasadaoron’i Rwanda, Sem Emmanuel Hategeka, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny lapam-panjakana, Iavoloha, omaly, taorian’ny fanolorany ny taratasy fanendrena azy tamin’ny filohan’ny […]
Politika
Rakotoamboa Jean-Louis: “Mila hahitsy tanteraka ny fitsipi-dalao amin’ny demokrasia eto”
Hanao ahoana ny fifidianana kaominaly amin’izao? Eny, na ny demokrasia amin’izany aza… Maneho ny fijeriny ny ny filoha nasionalin’ny Teza, Rakotoamboa Jean-Louis: “Ny fitsipi-dalao amin’ny demokrasia no mila hahitsy tanteraka: ny Lalàmpanorenana, ny lalàm-pifidianana, ny lalàna momba ny antoko politika, ny lalàna mifehy ny sersera… ” Dinidinika… Gazety Taratra (*): […]
Tontolon’ny fitsarana : tsy handefitra amin’ireo manao kolikoly ny minisitera
Anisan’ny nivoitra tamin’ny fananganan-tsaina, teny amin’ny fonjaben’ Antanimora, ny alatsinainy 14 oktobra teo, ny toromarika sy hafatrafatry ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Belalahy Hanitriniaina. Nambarany fa naharay fitarainana ny eo anivon’ny minisitera ka hodinihina ny fahamarinany. “Handraisana fepetra izy ireny ka tsy hasiana famindram-po amin’ireo tratra manao izany. Efa maromaro […]
Sivana teny tsimbazaza : velon’ahiahy ny Holafitry ny mpanao gazety
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), manoloana ny tranga niseho teny Tsimbazaza, omaly. Ahin’izy ireo ho tsy voahaja ny zo fototra eo amin’ny fahahalahan’ny asa fanaovan-gazety. Nambaran’ny OJM fa ahina ny tsy fanajana ny zo fototra ho an’ny olom-pirenena amin’ny hahazoana vaovao. Nisehoana fanakanana ny ampahany […]
Fiatrehana ny fifidianana : mametraka ny foibeny ny kandidà Ravalomanana Tojo
Efa ao anatin’ny fametrahana paikady hiatrehina ny fifidianana ben’ny Tanàna ny kandidà, Ravalomanana Tojo. Anisan’ny efa nametrahana izany sy nanombohana ny fanakaikezana ny vahoaka ny eny Ambohimanarina. Nialoha izany, nitsodrano ny zanany, Ravalomanana Tojo, sady naraham-bavaka teny Faravohitra, ny sabotsy teo, ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana. Namba-rany tamin’izany fa tsy […]




