Politika

FANTINA sy FINTINA

Notokanana omaly ny foiben’ny kandidà Ra­va­lomanana Tojo etsy Ambohimanarina. Nambarany tamin’izany fa fanokafana fotsiny ihany izao natao izao. “Mbola hiverina izahay fa nandalo fotsiny ihany aloha androany. Afaka mandalo eto amin’ity foibe ity avokoa isika mifampiresaka”, hoy izy. Tsiahivina fa nanao diabe izy ireo tamin’izany. Nifanakalo hevitra sy nametraka paikady […]

Ady amin’ny kolikoly : hatao “digitalisation” ny sora-piankohonana

Nanao atrikasa ho fampiroboroboana ny Paikadim-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) ny eo anivon’ny Komitin’ny fahitsiana (CSI) sy ny avy amin’ny Sami­fin, omaly, tetsy Antanimena. Niatrika izany koa ny eo anivon’ny Pac sy ny Arai ary ny Bianco, notronin’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fampandrosoana niomerika. Niom­panan’ny atrikasa hitohy, anio, ny fametrahana […]

Tantaram-pirenena : nisy ny hetsika nanamarihana ny 14 oktobra 1958

Tsy nanadino ny fetin’ny Repoblika Malagasy ny fitondram-panjakana. Nisy ny hetsika teny Andafiavaratra, omaly. Fampirantiana sary, fa­melaberalan-kevitra, fotoam-pivavahana no nanamarihana ny faha-66 taona nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara, 14 oktobra 1958-2024, omaly. Teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra no nikarakaran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izany. Nambaran’ny minisitra Mara Volamiranty Donna fa “raha olona tsy […]

FANTINA sy FINTINA

Niaiky ny filoha nasionalin’ny Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, fa tena potika sy matiantoka ireo orinasa madinika sy salantsalany noho ny delestazy. “Eo am-panaovana ny voloko mihitsy aho no tapaka ny jiro. Sahirana ireo orinasakely amin’izao fahatapahan-jiro isan’andro izao”, hoy izy. Manantena anefa ny tenany fa hahita vahaolana ny filoha Rajoelina. Nitaraina […]

Tokely Justin : “Vonona hiara-miasa amin’ny governemanta”

“Eto izahay dia manambara aminao Praiminisitra lehiben’ny governemanta: vonona ny Antenimierampirenena hia­ra-miasa amin’ny governemanta”. Io ny kabarin’ny filohan’ny Antenimieram­pirene­na, i Tokely Justin, tany Sam­bava, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny lanonana fametrahana samboady azy sy ireo depiote avy amin’ny faritra Sava sy Diana. Amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny filohan’ny Repoblika izany. Eo koa […]