Politika

Pasitera Andriamahazosoa Ammi Irako: “Adidin’ny fiangonana ny fitiavan-tanindrazana”

Nanafatrafatra ny zanany manana andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena ny eo anivon’ny FJKM, tany Ambositra. Nasongadin’ny filohany tamin’izany ny momba ny hiatrehana ny fifidianana. “Adidy aman’andraikitry ny fiangonana sy ny kristianina izay maneho ny finoany sy ny fiombonany ny fitiavan-tanindrazana, maniraka ny fiangonana sy ny kristianian handray andraikitra […]

Fifidiananana : « Feno fanaratsiana ny fampielezan-kevitra »

Nifarana ny sabotsy, teny amin’ny Ivontoerana Arrupe, Faravohitra ny fanamarihana ny telo andron’ny sosialy, no­karakarain’ny sampam-pa­monjena sosialy sy ekolojika. Andro naompana tamin’ny lohahevitra :” fifidianana, fandriampahalemana sy filaminana eto Madagasikara”. Fampielezan-kevitra feno fanaratsiana, fankahalana, herisetra no zava-misy eto amintsika, raha ny fandinihana nataon’izy ireo sy antony nisafidianana ny lohahevitra. Tokony […]

MMM tany Mahajanga : “Miketrika hijanona eo amin’ny fitondrana ny mpitondra”

Nitohy tany Mahajanga indray ny famelabelaran-kevitra sy fihainoana ny vahoaka tanterahin’ny antoko MMM ny sabotsy. Anisan’ny noresahin’izy ireo ny fiainam-pirenena. “Mitady ny fomba rehetra hifikirana eo amin’ny toerana sy hanalavana ny fahefany ny mpitondra”, hoy ny filoha nasionaly, Andria­nainarivelo Hajo. Nanteriny fa tena nihemotra isika. Miha mahantra, araka ny antontanisa […]

Filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery: “Tsy misisika hanao tetezamita ny antoko HVM”

Namelabelatra ny “Fisandratana 2030”, teny Andraharo, ny avy amin’ny HVM sy ireo tanora miara-dia, tamin’ny sabotsy. Nanambara ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny mpanorina ny antoko, Rajaonarimampianina Hery. “Tsy misisika hanao tetezamita izahay. Tsy tongatonga ho azy ny resaka. Lalan-kevitra hikaroham-bahaolana izany noho ny fahantrana sy ny ahiahy amin’ny fifidianana”, hoy […]

Tetikasa Mionjo: nisitraka fitaovana sy vola ireo kaominina miisa 59

Natao tany Taolagnaro, omaly, ny fihaonan’ny komity nasionaly mpitarika ny teti­kasa Mionjo. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin. Nam­barany, miroso izany tetikasa izany ka anisan’izany ny nisitrahan’ireo kaominina miisa 59 fanampiana 12 mi­liara Ar mahery. Anisan’ny nahazo izany ny any Atsimo Andrefana sy Anosy ary Androy. […]