Politika

Transparency International – IM : “Atsaharo ny tolotolotra sy kolikoly amin’ny mpifidy”

Namoaka ny torolalana “Hay fidy ben’ny Tanàna” ny eo anivon’ny Transparency International – Initiative Madagasikara (TI-IM), ny faran’ny herinandro teo. Natao hanampiana ny olom-pirenena sy hanafatrafarana ireo kandidà izany. Anisan’ny notakin’izy ireo ny hananan’ny kandidà fitondrantena mendrika ka hanalavitra ny fanaovana ireo karazana kolikoly ara-pifidianana. “Aoka hatsahatra ny fanolotolorana mihoapampana […]

FANTINA sy FINTINA

Hentitra ny depiote Raholdina Naivo. “Voaroaka tsy ho TGV intsony ireo mpikambana eo anivon’ny antoko ka tsy manohana ny kandidàn’ny Irmar, Ramanantsoa Harilala”, hoy izy tao amin’ny fahitalavitra iray. Nohitsiny fa tsy tokony hiseho intsony ny fiverenana eo anivon’ny vovonana aorian’ny fifidianana. “Tsy misy toerana ho an’ny mpikarama an’ady aty”, […]

Loholona Tsiebo Mahaleo : «Mitambatra hanakorontana ny mpanohitra»

“Mitambatambatra hanakorontana ry zareo”, hoy ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard V., teny Anosy, afakomaly, mom­ba ny mpanohitra amin’izao fiatrehana fifidianana kaominaly izao. Ny fanakorontanana voalohany, tamin’ny taon-dasa: mody mirotsa-kofidina; avy eo, milaza tsy hanao indray. Ny andrimpanjakana nametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidina no hoe tsy atokisana. Efa famitam-bahoaka izay. Nilaza […]

Hafatrafatry ny Ceni : «Voarara ny fiantsoana ny olona hifidy ny kandidà»

Malalaka ny fampahafantaran’ny kandidà ny laharany anaty biletà tokana amin’ny hetsika ataony. Tsy mbola azo atao kosa ny mitaona ny olona hifidy azy. Nampahatsiahy ny toromarika momba ny “Pre-campagne” na ny mialoha ny propagandy ny eo anivon’ny Ceni. Tsy voafaritra ao anatin’ny lalàm-pifidianana izany. “Mbola voarara sy tsy azo atao […]

FANTINA sy FINTINA

Nahazo taratasy fampitsaharana amin’ny asany ireo sefo fokontany miisa 5 any Toliary. Efa niseho koa ny fanesorana mpitantana eny ifotony tahaka izao tany an-toerana nialoha ny fifidianana depiote tao Toliary ary izao niverina izao indray. Tsiahivina fa taratasy avy any amin’ny prefet izany. Iharan’ny tsindry amin’ireo kandidà mpomba ny fitondrana […]