“Tsy maintsy itadiavana vahaolana hisolo azy izay nametra-pialana. Tsy maintsy manao ny fanendrena ny lefitry ny Filohan’ny delegasiona manokana (PDS), Antananarivo Renivohitra, ny fanjakana”. Io ny fanazavan’ny prefet, Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, teny Tsimbazaza, omaly, manoloana ny fametraham-pialan’ny PDS teo aloha, Ramanantsoa Harilala, noho ny firotsahan-kofidiny ho ben’ny Tanàna […]
Politika
Ady amin’ny kolikoly sy ny mpanera : nohamoraina ny fandraisana olona eny amin’ny fitsarana
Nitondrana fanavaozana sy fanatsarana fomba fiasa ny nametrahana kioska, handraisana ny torohay ho an’ireo manan-draharaha eny anivon’ny fitsarana. Iarahana amin’ny fandaharanasa Rindra izany. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, omaly, tetsy Anosy fa manana zo handeha ho eny amin’ny fitsarana ny rehetra. Matetika anefa matahotra ny olona na koa […]
Ady amin’ny kolikoly : hojerena manokana ny zon’olombelona
“Taloha, rehefa miresaka ady amin’ny kolikoly: tsy jerena loatra ny fiantraikany amin’ ny zon’olombelona. Nefa misy fiantraikany be dia be ny tsy fahazoan’ny vahoaka ny zony, araka ny Lalàmpanorenana: any amin’ny fampianarana, ohatra, ny fahasalamana, ny fitsarana, ny fananan-tany”. Izay ny fanazavan’ny filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, […]
Depiote Dr. Rajaobelina L.H.: Tsy atao ambanin-javatra ny fampandrosoana
Voafidy indray ho solombavambahoaka ao amin’ny distrikan’i Moramanga, ny Dr. Rajaobelina Lova Herizo, sady filohan’ny vaomieran’ny Fahasalamabahoaka eny amin’ny Antenimerampirenena. Ho azy, zava-dehibe ny anjara birikin’ny depiote ny Famatsiam-bola tohana ho an’ny fampandrosoana (Ciad). Nampiasana io vola io ho an’ny distrikan’i Moramanga, tamin’ny fe-potoam-piasany teo aloha, ny fividianana jiro «cobra», […]
Kandidà lah. 7 Ramanantsoa Harilala ; “Tanjona: Antananarivo mandroso, madio, milamina”
Anisan’ny nanatanteraka ny an-tsapaka ho amin’ny filaharana anaty bileta tokana ny teto Antananarivo Renivohitra, omaly, tetsy amin’ny Ovec, Isotry. Niantso ny mpifidy amin’izay maharesy lahatra azy avy ny kandidà, Ramanantsoa Harilala. “Tanjona tratrarina ary apetraka: Antananarivo mandroso, Antananarivo madio, Antananarivo milamina. Koa manomboka izao, ny fanentanana sy ny fandrindrana rehetra […]




